Tantara mikasika ny Fanoherana tamin'ny Febroary, 2015
Manontany Ny Filipiana Hoe ‘Aiza Ny Filoha?’ Rehefa Tsy Tonga Nanome Voninahitra ireo Polisy Maty An'Ady
Polisy efatra amby efapolo no namoy ny ainy nandritra ny bemidina manokana fanenjehana ireo voalaza fa atidoha nikotrika ny fanapoahana baomba tao Bali tamin'ny taona 2002. Tsy nanatrika ny fahatovangan'ny vatana mangatsiakan'izy ireo ny filoha Aquino fa nanatrika hetsika momba ny fiara.
Fitalahoana Nalefa Tamin'ny Minitra Farany Mba Hanajanonana Ny Famonoan'i Indonezaia Ireo Aostraliana Roa Manondrana Zava-mahadomelina
"Tsy misy olona na iray aza mendrika hohelohina ho faty. na inona na inona heloka nataony #ManohanaNyFamelànaAho."
Sazian'ny Governemanta Makedoniana Ny Fakàna Sary Fihetsiketsehana Amin'ny Drôna
Nanampy tamin'ny fampisehoana ny haben'ny hetsika goavan'ny mpianatra vao haingana ny sary sy lahatsary nalaina tamin'ny drôna, fihetsiketsehana lazaina ho goavana indrindra tao Makedonia hatramin'ny fahaleovantena.
Nikatso ny Aterineto Tao RDC Nandritra ny Fihetsiketseha-Panoherana an'i Kabila, 36 no Maty
Nahery vaika ny fifandonana teo amin'ny polisy sy ny mpanao fihetsiketsehana manohitra ny fanitsiana ny lalam-pifidianana nataon'i Kabila izay niafara tamin'ny fahafatesan'olona 36 tao amin'ny Repoblika Demaokratikan'i Kongo tao anatin'izay andro vitsivitsy izay.
Miaiky i Filipina Fa Nitondra Ireo Fianakaviana Tsy Manan-kialofana Ho Any Aminà Toeram-pisindàna Mahafinaritra Nandritry Ny Fitsidihan'ny Papa François
Saingy nanindry ny governemanta fa mba nifanandrify fotsiny tamin'ny fitsidihan'ny papa ny fanofanana nampanaoviny ho an'ireo fianakaviana tsy manan-kialofana.
Afenin'i Filipina Amin'i Papa Fransoà Ny Olana Ara-Tsosialy Ao Aminy
Anisan'ireo nosakanan'ny manampahefana tsy hijery an'i Papa François nandritra ny fitsidihany tao Filipina ireo mpikatroka, ankizy mpirenireny an-dalambe sy mponina mahantra.