Tantara mikasika ny Fanoherana tamin'ny Aogositra, 2013
Hetsi-panoherana Makedoniana Manoloana Ny Fanesorana Hazo Ao Skopje
Nisy fiitarany tahaka izay efa nitranga tao Torkia sy Serbia ny hetsi-panoherana niainga tamin'ny fanapahahana hazo vitsivitsy.
Iran: Bye Bye Filoha Ahmadinejad
Mampiasa ny teny ifankafantarana #AhmadiByeBye ny Iraniana amin'ny fisentoany hoe lasa ihany ilay filoha nampisara-kevitra sy tsy milamina loatra.
#FreeSafy – Bilaogera Nosamborina Vao Maraimbe Tao Bahrain
Nosamborina vao maraimbe ilay bilaogera Bahrainita Mohammed Hassan. Noraofin'ny polisy ny findainy sy ny solosainy. Miantso ho amin'ny famotsorana azy ny mpiserasera.
Lehilahy Nitoraka Baomba Ny Seranam-Piaramanidin'i Beijing: Mpampihorohoro sa Niharam-boina ?
Nanapoahan'ny lehilahy iray baomba, lehilahy mandeha amin'ny seza natokana ho an'ny malemy, izay milaza fa kilemaina noho ny kapoka nataon'ny mpitandro filaminana azy tamin'ny 2005, ny seranam-piaramanidin'i Beijing.
Tonizia: Miaramila Valo Tratran'ny Kendritohina Maty, Mitohy ny Gidragidra Politika
Mitohy ny gidragidra politika ao Tonizia taorian'ny vela-pandrika nahazo ny miaramila ka nahafatesana 8 tamin'izy ireo tany Chaambi. Andro vitsivitsy monja taorian'ny namonoan'olona mitam-piadiana nandeha soavalivy ny depioten'ny mpanohitra Mohamed Brahmi no nitrangan'ity raharaha ity.
Alemaina: Hetsi-Panoherana Fanaraha-maso Fomba “Big Brother”
#StopWatchingUs no teny ifampifehezan'ny mpanao fihetsiketsehana tamin'ny Asabotsy 27 jolay tao Alemaina. Manohitra ny fanaraha-maso ataon'ny sampam-pitsikilovana sy ny tsy fihetsehan'ny governemanta ny mpanao fihetsiketsehana.