Tantara mikasika ny Fanoherana tamin'ny Marsa, 2013
Misaona ny Mpanoratra Frantsay Stéphane Hessel ny Mafana fo Eran-tany
Nodimandry tamin'ny alin'ny 26 Febroary 2013 lasa teo ny mpanoratra, mpisolovavan'ny zon'olombelona, sady mpitolon'ny Fiaretana (“résistance”) Frantsay, Stéphane Hessel, nanome aingam-panahy tamin'ny fahadisoam-panantenan'i Eoropa sy Etazonia ka nitarika ho amin'ny fikarakarana...
Ekoatora: Herintaona Izay No Lasa Hatramin'ny Nitànana An-tranomaizina An'ireo '10 Avy Any Luluncoto’
Herintaona izao no lasa hatramin'ny nitànana ireo "10 avy any Luluncoto", olom-pirenena voampanga ho nikasa hanao asa fampihorohoroana. Fihetsiketsehana maro no natao teo ivelan'ny fonjam-behivavy Inca, tany avaratr'i Quito, ary miandry ny famoahana haingana an'i Abigaíl Heras sy Cristina Campaña, roa amin'ireo voampanga izay efa nandany herintaona an-tranomaizina ny vahoaka.
Mahatezitra Ny Mpisera Ety Anaty Aterinetio Ny Toetran'ireo Parlemantera Okrainiana Mpanitsakitsaka Lalàna
Nahavita nanao fampielzankevitra kely tey anaty aterineto i Vadym Kolesnichenko, solombavambahoaka avy amin'ny antoko mitondra , rehefa nifanolana taminà vehivavy iray teny amin'ny seranampiaramanidina, izay tsy nanao afa-tsy ny asany.
Fandrarana ny Vishwaroopam : Fanitsakitsahana ny Fahalalaham-Pitenenana?
Vishwaroopam, sarimihetsika andaniana volabe ao Bollywood notantanina sy niaraha-tontosaina tamin'i Kamal Haasan, no nameno ny lohateny lehibe tamin'ireo gazety na dia talohan'ny nivoahany aza – saingy amin'ny endrika ratsy rehetra....
Fitokonan'ny Mpamboly Kafe: Ny Olana Ao Ambadiky Ny Kafe Kolombiana
Andiany iray amin'ireo Kolombiana mpamokatra kafe no nitokona hatramin'ny 25 Febroary. Cati Restrepo no manolotra fandalinana ny toe-draharaha.
Dihy Karinavaly Samba Mandritra Ny Mondialy Ao Brezila
Anisan'ny fitantarana manokana amin'ny #CopaPública ity lahatsoratr'i Mateus Coutinho ity, izay navoaka voalohany tamin'ny 8 Febroary 2013, tamin'ny lohateny hoe Carnaval e Copa, será que dá samba? Manoloana ny fandroahana an-katerena sy ny...
Fifandonana Nahafatesan'olona Teo Amin'ny Polisy sy ny Mpamboly Ao Myanmar
Nizara lahatsary fohy ahitana ireo vehivavy notafihan'ny polisy nandritra ny fifandonana teo amin'ny mpanao fihetsiketsehana sy ny polisy tao Maupin, Myanmar i Pacerunning. Ahitana miaramila manamboninahitra iray manosika vehivavy ny lahatsary ary miaramila...
Tosika Orogoaiana Hisian'ny Fitaterana Maharitra
Manangona sonia 10.000 ireo teratany Orogoaina mba hanerena ny governemantan-dry zareo hanolotra fotodrafitrasa mifanaraka amin'ny hisian'ny fitaterana maharitra, manomboka amin'ny faritra natokana ho an'ny bisikilety. Kendrena amin'ity fandraisana andraikitra ity ny handinihana momba ny bisikilety ao anatin'ny drafitra lavitr'ezaka nataon'ny firenena ho toy ny fitaovam-pitaterana maharitra.
Rà Mandriaka Sy Bala no Miteny Irery Mialoha Ny Fihaonambem-Pirenena ao Yemen
Nizaka ny vokatry ny fitsidihana tara loatra tao Aden ny filohan'ny Yemenita Abdrabuh Mansur Hadi tamin'ny Alahady hariva 24 Febroary, taorian'ny efatra andro nisian'ny fifandonana mihoson-drà mbola mitohy ankehitriny, izay...
Kianja Sa Sekoly: Diso Toerana Ny Laharam-Pahamehana Ao Slovakia
Tsy misy vola ampy hanomezana karama sahazo ho an'ireo Slovaky mpampianatra, saingy misy kosa ny vola hananganana kianja filalaovana baolina kitra manerana ny firenena. Tibor Blazko mitatitra momba ny hadisoan'ny governemanta Slovaky amin'ny laharam-pahamehana amin'ny famatsiam-bola.