· Mey, 2012

Tantara mikasika ny Fanoherana tamin'ny Mey, 2012

Korea Atsimo : Fanaraha-maso Tsy Manara-dalàna Atao Ny Mponina Sy Ny Mpanentana Fandaharana

  16 Mey 2012

Mirehidrehitry ny fanakianana ny Lapan'ny Filoha ao Korea Atsimo noho ny fanaraha-maso tsy manara-dalàna nataony an'ireo ny olontsotra. Ilay raharaha izay niantomboka taminà fanaratsiana nataon'ireo antokon'ny mpanohitra, dia lasa nihombo be ankehitriny ary dia notondroina mihitsy ho ny Tantara Ratsy Watergate Koreana [ko]. Ireo Mpanentana fandaharana izay mampiantrano hetsi-panoherana manohitra ny governemanta dia nanambara fa naraha-maso sy nosavain'ireo manampahefana avy amin'ny sampam-pitsikilovan'ny governemanta ny tranon'izy ireo

Espaina: Mivelatra Ihany Koa Ny Zavakanto Ao Amin'ny Lohataona Ankapobe

  15 Mey 2012

Ny 12 Mey (12M) ka hatramin'ny 15 Mey (15M) [es], Miaina hetsika sosialy eny an-dalambe hanoherana ny fifehezan'ny banky sy hitaky ny isian'ny rafitra demokratika, andraisan'ny besinimaro ary [salama] mety kokoa ny ao Espaina. Noho ny fiitaran'ny fihetsiketsehana sy ny tsy fahafaliana amin'ny ankapobeny, nahatratra ny tanjony hitombo sy hahazo ny...

Rosia: Ustream.tv Voatafika Noho Ilay Bilaogera Rosiana

Ny marainan'ny 9 Mey 2012, nisy olo-tsy fantatra nanafika tamin'ny alalan'ny DDoS (Distributed Denial of Service) ny vohikala mpikarakara mivantana Ustream.tv. Araka ny nolazain'i Victoria Levy avy ao amin'ny Ustream.tv, avy amin'ny IPs an'arivony, miorina any Rosia, Kazakhstan ary Iran ny fanafihana. Nitodika tany amin'ny mpisera iray manokana [ny fanafihana] izay tsy iza fa i, reggamortis1 [ru], ilay nampita ny fivorian'ny mpanohitra sy ny hetsi-panoherana ao Moskoa.

Madagasikara: Nogidrahan'ny Tafika Ny Mpampianatra Mitokona

  10 Mey 2012

Nitokona nandritra ny herinandro noho ny tsy fitoviam-pijery eo amin'ny vola raisin-dry zareo isam-bolana ny sendikàn'ny mpampianatra. Noteriterena tamin'ny alalan'ny fandefasan'ny tafika mitam-piadiana baomba mandatsa-dranomaso [fr] ny hetsi-panoherana. Niditra tao anatin'ny hetsi-panoherana ihany koa [mg] ny mpianatra (via bolonga-tsarin'i Jentilisa).

Armenia: Fandresen'ny Mpikatroka Miaro Ny Tontolo Iainana

Taorian'ny telo volana nisian'ny fihetsiketsehana sy sit-ins tsy ankiato nokarakarain'ireo mpikatroka ho amin'ny tolona hanavotana ny zaridainan'i Mashtots, nanome baiko ny hanesorana hatramin'ny fakany ny foto-drafitrasa efa tafaorina noho ny faharatsian'endriny ny filoha Armeniana, Serzh Sargsyan, antony iray tsy tafiditra tao anatin'ny fandaharam-potoanan'ireo mpitolona manohitra ny fananganana tsy ara-dalàna atao amin'ny iray...