· Marsa, 2012

Tantara mikasika ny Fanoherana tamin'ny Marsa, 2012

Yemen: Mahatsiaro ny Zoman'ny Fahamendrehana

Taona iray lasa izay, nanodidina ny olona 52 no maty, nanakaiky ny 100 no voalaza fa naratra tao Sanaa. Mahatsiaro ny andron'ny 18 Martsa ireo mpiondana aterineto, kihon-dàlana iray teo amin'ny revolisiona tao Yemen, izay nahatonga olona marobe, olom-panjakana, diplaomaty, ary miaramila niala an-daharana ka nanatevina ireo mpanao hetsi-panoherana.

Syria: Rehefa Miongana I Assad

Tahaka ireo Arabo nanohitra ny mpitondra mpanao didy jadona tany aminy avy dia manana faniriana sy fanantenam-piainana aorian'ny fionganan'ny mpano didy jadona ao aminy antsoina hoe Bashar Al Assad ny Syriana. Mifampizara ny nofinofiny ny Syriana amin'ny fampiasana tenifototra #WhenAssadFalls

Tontolo Arabo: Vahao i Clooney!

Nosamborin'ny Etazonia ilay  mpisehatra George Clooney sy ny rainy Nick nandritra ny fihetsiketsehana teo an-tokotanin'ny Ambasady Sodaney ao Washington DC. Mpisera Arabo namoaka izay niseho tamin'ny fihetsiketsehana nandritra ny fisamborana tao amin'ny Twitter. Natao ny fihetsiketsehana mba hanairana ny sain'ny olona manoloana ny krizy mitatao amin'ny vahoaka ao amin'ny fari-tendrombohitra Nuba,  ao...

Maraoka: Fitorevahana Nokarakaraina Hisarihana Ny Saina Mikasika Ny Zava-manjo Ireo Niharan'ny Fanolanana

Nanao fitorevahana ry zareo Maraokana omaly (17 Martsa) ho fanoherana ny lahatra nozakain'i Amina Filali, 16 taona, izay namono tena taorian'ny nanerena azy hanambady ilay lehilahy nanolana azy. Neken'ny mpitsara ny fanambadian'i Amina sy ilay mpanolana azy. Niteraka tafiotram-panehoan-kevitra ny famonoany tea, tenyanivon'ny media sosialy sy teny an-kianja

Bahrain: Vonjeo Amin'ny Ataon'ny Fitondrana ny Zanaky Ny Bahrainita

“Isika rehetra no mizaka ny heloky ny fitondrana”, izany no hafatry ny mpiserasera Bahrainita izay nampisongadina izany amin'ny alalan'ny tenifototra ampiasaina isan'andro ao amin'ny Twitter. Ny tontolon'ny Twitter ao Barhain no ohatra azo hampiharina amin'ny valantserasera araka ny fikarakarany tsara izany, apetraka ao avokoa ny vaovao rehetra hananany ao amin'ity sehatra...

Bahrain: Hetsi-panoherana Goavambe Manohitra Ny Fitondrana

“Miala miala Hamad” no antsoantson'ireo vahoaka an'arivony manohitra ny mpanjakan'i Bahrain Hamad, nobahanan'izy ireo ny arabe midadasika ao Bahrain, akaiky ny fihodikodinana Pearl, famantaran'ny revolisiona Bahrain. Ity diabe goavambe ao amin'ny araben'i Budaiya tamin'ny Zoma ity dia ho fanehoana indray ny fitakian'ny vahoaka noho ny didy jadona ataon'ny fitondrana Barhainita izay...

Mozambika: Ny Rindrin'ny Vahoaka ao Maputo

  15 Marsa 2012

Tamin'ny fotoana nahitanay tsy an-kiato ny firoborobon'ny teknolojia vaovao izay manamora ny fifandraisana sy ny fampahalalam-baovao, toy ny smartphone, tablets, Twitter ary ny Facebook, ao Maputo, renivohitr'i Mozambika, niroborobo ihany koa ny Rindrin'ny vahoaka: ny rindrina lehibe ao ivelan'ny tranobe misy ny gazety Jornal@Verdade, izay afaka ametrahan'ny vahoaka hafatra sy hanairana mivantana...

Korea Atsimo: Hetsi-Panoherana Ny Fanombohan'ny Fananganana Tobim-Pamaharana Ao Jeju

  13 Marsa 2012

Efa an-taonany izao no nanoheran'ny mponina avy ao an-tanàna ambanivohitr'i Gangjeong, Korea Atsimo, ny fananganana tobin-tafika an-dranomasina ao amin'ny Nosy Jeju. Koa satria moa mety hisy fiantraikany amin'ny toerana natokan'ny UNESCO ho lovan'izao tontolo izao ity tetikasam-pananganana toby miaramila ity dia nanohitra ny fananganana azy hatramin'ny 94% tamina fitsapa-kevi-bahoaka ny...