Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

· Janoary, 2012

Tantara mikasika ny Fanoherana tamin'ny Janoary, 2012

19 Janoary 2012

Lahatsary Asongadina: Mpitolona, Fahafahana Maneho Hevitra, Olona ary Kolontsaina

Ity fanadihadiana ity dia mikendry ny hampahafantatra ny hafatra faramparany ato amin'ny Global Voices izay mampiseho fomba maro fa manampy ny olona hilaza ny tantarany manerana izao tontolo izao ny Lahatsary.  Afaka manaraka ny zava-miseho isaky ny faritra ianao ao amin'ny Fantsona YouTube-nay na manindry fotsiny ny rohy eo ambony. Afovoany...

Rosia : Tsy Nahavita Nifankahazo Ny Mpanohitra Tao Saint-Petersbourg

Akon'ny RuNet

Ireo hetsi-panoherana talohan'ny fifidianana ny volana Desambra 2011 dia ahitàna karazany roa : 'Mpanohitra matihanina' sy ireo mponina velom-panahiana. Tao Moscou, ireo karazany roa ireo dia nahavita nivondrona mba hanomana ny iray amin'ireo hetsika am-pilaminana isan'ny lehibe indrindra teo amin'ny tantaran'ny firenena. Tao Saint-Pétersbourg, na izany aza, ilay famoriam-bahoaka dia...

17 Janoary 2012

Maraoka: Noafahana Ilay Mpiangaly Rap

Mouad Belghouat na “Al Haked” (Ilay Tafintohina), Artista mpiangaly rap 24 taona mpitsikera ny fitondram-panjaka Maraokana, dia noafahana ny fonja, izay nitazonana azy hatramin'ny volana Septambra, ny zoma lasa teo. Ny heloka ofisialy iampangana an'i Mouad moa dia ny fidarohana mpanao fihetsiketsehana mpiaro ny fitondrana saingy ny mpanohana azy kosa...

14 Janoary 2012

Syria: Tolona ho amin'ny Fahafahana Sy Famaranana Ny Fahanginana

Hatramin'ny volana Martsa 2011, tonga hatrany Syria ny fitroarana niainga tao Tonizia sy Ejypta, an'arivony ireo namoy ny ainy tamin'izany ary an'aliny kosa ireo nosamborina sy tsy hita popoka. Miatrika famoretana tsy mbola nisy hatrizay sy ady atao amin'ny haino aman-jery hanalana endrika fanoherana amin'ny endriny rehetra ny mpikatroka Syriana....

11 Janoary 2012

Syria: Mpiondana Aterineto Tezitra Noho Ny Kabarin'i Assad

Nanao kabary lavabe nivaralila ny Filoha Siriana Bashar Al Assad omaly (10/01/2012), izay nahatezitra mafy an'ireo Siriana mihetsika manohitra ny fitondrana jadony. Rehefa miteny ireo mpitondra Arabo, dia mandray ny fitendry ireo Arabo mpiondana aterineto ka mandray anjara anaty resaka mikasika ireo filoham-panjakana izay voan'ny nataony ihany ka tonga amin'izao...

10 Janoary 2012

Taiwan: Tsy Mijery Ny Fahorian'Ireo Tantsaha Ny Fandinihana Ny Làlana Momba Ny Fakàna Ny Tany

Koa satria efa mihamanakaiky ny fifidianana ny ho filoham-pirenena, ireo mpanao politika mpikambana ao amin'ny Yuan mpanatanteraka dia nanapa-kevitra ny hamerina handinika ilay lalàna. Na izany aza, raha tokony ho ny fahorian'ireo tantsaha no vahàna, tamin'ny 13 Desambra 2011, ireo mpanao lalàna avy ao amin'ny Yuan mpanao lalàna dia nandàny...

Hong Kong: Hetsika Tselatra Fanoherana Marika Lafovidy Iray

Olona an'arivony no nanao fihetsiketseham-panoherana teo an-tokotany manoloana ny tsenam-barotra Dolce & Gabbana's ao amin'ny lalan'i Canton, toerana ivangongoan'ny mpizahantany ao Hong Kong indrindra, omaly (8 Janoary 2012). Mivory ny olona, mikorotandrotana noho ny nataon'ny mpiambina ilay tsenambarotra Italiana malaza vao nandrara mpaka sary monina ao izay monina ao Hong Kong...

09 Janoary 2012

Slovakia: Hetsi-panoheran'ny Mpitsabo

Iray amin'ireo hetsika Slovaky isan'ny nanana ny lanjany tokoa tamin'ny 2011 ny hetsi-panoherana nataon'ireo mpitsabo maherin'ny 2000 avy amin'ny toeram-pitsaboana an'ny fanjakana ; 1.200 tamin'izy ireo (avy amin'ny efa ho 6.500) no nampiato vonjimaika ny fifanarahan'asan-dry zareo toarian'izay. Tibor Blazko no manazava ny toe-draharaha sy mandika ny fomba fijerin'ny vahoaka...

08 Janoary 2012

Malaza an-Tserasera Ny Mifohaza Meksika! Manohitra Ny Herisetra

Nanaika ny mpanakanto, mpamorona, ary haino aman-jery hanambatra ny heriny ny fisian'ny herisetra sy ny tsimatimanota nandritra ny taona vitsivitsy ka hanao fanentanana hanova ny antontan'isa ho anaran'olona sy tantara. Amin'ny alalan'ny tetikasa ifarimbonana no itadiavany avy amin'ny mpijery azy ireo olona efa niharan'ny herisetra hafa ka hanome feo ireo niharan'ny herisetra ireo....

07 Janoary 2012

Syria: Damaskaosy “Fanaovana Vy Very Ny Aina” Sy Fanamboamboarana Ataon'ny Fahitalavi-Panjakàna

Raha hetsi-bahoaka goavana no mitranga manerana ny faritra maro eo amin'ny firenena mitaky ny hifaranan'ny fitondran'i filoha Siriana Bashar Al Assad, ny fahitalavi-panjakana Siriana kosa nitatitra fanapoahana baomba nataonà mpanao vy very ny ainy tany amin'ny manodidina an'i Midan any Damaskaosy tamin'ny Zoma 6 Janoary. Ireo lahatsary sasany mivezivezy any...