· Novambra, 2011

Tantara mikasika ny Fanoherana tamin'ny Novambra, 2011

Etazonia : Fanesorana Tampoka Ny Hetsi-panoherana Bodoy ny “Wall Street”

  20 Novambra 2011

Ny marainan'ny 15 Novambra, Ireo mponina avy ao Etazonia dia taitra tamin'ilay vaovao nilaza fa ny polisy dia nandroaka ireo mpanao hetsi-panoherana bodoy ny "Wall Street" ao amin'ny Zuccotti Park tsy nisy fampandrenesana mialoha akory. Toy ny mahazatra, betsaka ny hevitra izay nifamahofaho tao amin'ny tontolon'ny bilaogy sy ny tambazotra ara-sosialy.

Liberia: Iza moa izany no tena resin'i Ellen Johnson ?

  20 Novambra 2011

Mbola nandresy ny fifidianana indray i Ellen Johnson Sirleaf ny Alakamisy teo tamin'ny fifidianana ho filoham-pirenena nokorontanin'ny mpanohitra any Liberia. MItady ny lalana ara-dalàna ny olon'ny mpanohitra, i Winston Tubman, mba hanafoananana ny fifidianana indray ny filoha Ellen Johnson-Sirleaf. Ireto misy santionana tsikera sy hevitra mikasika ny fifidianana avy amin'ny mpiserasera.

Koety: Nakorontan'ny Mpanao Fihetsiketsehana ny Antenimieram-Pirenena

Nakorontan'ny Koesiana tezitra an'arivony ny Lapan'ny Antenimieram-Pirenena tamin'ny Alarobia 16 Novambra 2011, rehefa nifampigidraka tamin'ny polisy sy ny mpitandro filaminana ny mpanao fihetsiketsehana. Efa nihahenjana tokoa ny tontolo politika Koesiana tao anatin'ny taona vitsivitsy, ary kihon-dalana vaovao teo amin'ny toe-draharaha ny lohataona Arabo tamin'ny fiandohan'ity taona ity

Yemen: Ampangain'ireo Mpiondana Aterineto Ho manao Tatitra Mitongilana Ny Reuters

Marobe ny olona no tohina nahita fa ilay loharanom-baovao malaza sy mba nitokisany, Reuters, dia manaràma an'i Mohammed Sudam, mpandika teny manokan'ny Filoha Ali Abdullah Saleh, sady sekreterany hatramin'ny 2009, ho toy ny solotenany mivantana sy iraka manokany ao Yemen. Nandefa siokantsera ireo Yemenita, izay nanomboka nampiasa ny tenifototra #ShameonReuters tao amin'ny Twitter, no tohina tamin'ny zavatra hitany, manontany ny amin'ny mbola fahamendrehan'ny Reuters sady mangataka fanazavàna.

Bahrain: Nanitsaka ny Mpanao Fihetsiketsehana Ve Ny Fiaran'ny Polisy?

Nolazain'ny fitondrana ao Bahrain fa araka ny lalàna iraisampirenena no ifehezany ny mpanao fihetsiketsehana. Saingy nanangom-baovao na nandrakitra ny fanitsakitsahana ny zon'olombelona mitranga any kosa ny mpisera ka mametraka ireny an-tserasera ho hitan'izao tontolo izao. Ato amin'ity lahatsoratra ity no anangonan'i Mona Kareem ny lahatsary nivoaka an-tserasera mampiseho ny ataon'ny polisy mandòna (manosy na manitsaka) ny mpanao fihetsiketsehana. Kisendrasendra ve ny hanosen'ny fiaran'ny polisy ny mpanao fihetsiketsehana?

Tonizia : Noravan'ny Polisy Tamin-kerisetra Ireo Mpanao Hetsi-panoherana Manohitra Ny Kapitalisma

Ny 11 Novambra, ireo mpanao hetsi-panoherana manohitra ny kapitalisma dia nidina an-dalàmbe tao Tonizia, tafiditra ao amin'ilay hetsika manerantany antsoina hoe ''Occupy the World on 11.11.11.'' na "bodoy izao tontolo izao ny 11.11.11."Nampiasa kibay, sy entona mandatsa-dranomaso ireo polisy mba hanaparitahana ireo mpanao fihetsiketsehana tao afovoan-tanànan'i Tunis, izay nahatonga fampiakaram-peo teo amin'ireo mponina.

Tonizia: Fitsikerana Tafika Nampiditra Roa Volana An-tranomaizina

Tamin'ny 9 Novembra, Nabil Hajlaoui, mpahay fambolena sy fiompiana avy ao Sidi Bouzid, voampanga higadra roa volana an-tranomaizina noho ny fitsikerany ny andrim-panjakana miaramila Toniziana. Araka ny voalazan'i Houssem Hajlaoui, mpanoratra ny bilaogy iombonana Nawaat, nosamborina i Nabil Hajlaoui taorian'ny lahatsoratra navoakany, izay nanomezany tsiny ny tafika noho ny fikomiana vao haingana...

Bangladesh: Fanoherana Am-pahasahiana Ny ‘Dot’

  15 Novambra 2011

Farzana Yasmin, tovovavy iray avy ao Bangladesh no nampanakoako nanerana ny firenena ny fisarahany tamin'ny vadiny teo noho eo tamin'ny andron'ny fampakarambady, taorian'ny nangatahan'ny fianakavian'ity farany 'dot' (fanomezana atolotra mialoha ny hidirana amin'ny tokantrano vao), niaraka tamin'ny fankatoavany, tamin'ny fianakavian-dravehivavy.