· Aogositra, 2011

Tantara mikasika ny Fanoherana tamin'ny Aogositra, 2011

Espana : Mpanao Gazety Nosamborina Ary Fihetsiketsehana Voasakantsakana

  14 Aogositra 2011

Ny hetsi-panoherana Espanola 15 m izay nahangona olona an'arivony teny an-dalambe hangataka rafitra ara-demokratika kokoa dia tonga tamin'ny dingana iray vaovao. Nanapa-kevitra ny manampahefana ny 2 Aogositra fa handràra ny fihetsiketsehana rehetra ary nampitandrina ireo mpanao fihetsiketsehana tsy hivorivory. Rakotra fanehoan-kevitra sy fampitam-baovao avy amin'ny mponina ny tambajotram-piarahamonina.

Chile: Polisy sy Mpianatra Nifanandrina Tanaty Fihetsiketsehana Momba ny Fanabeazana,Tsy Nahazoana Alàlana

  09 Aogositra 2011

An-jatony ireo Shiliana mpianatra, nitaky ny fanavaozana ny rafi-panabeazana azy ireo, no nifampitàna tamin'ny mpitandro filaminana avy amin'ny polisy satria nanao hetsika tsy nahazoana alàlana izy ireo tamin'ny Alakamisy 4 Aogositra 2011, nanerana ny afovoan-tanànan'i Santiago renivohitra. Ao amin'ny Twitter, ilay hetsika dia tafakatra ho amin'ny toeran'ny lohahevitra tena resahana be ao an-tanàna noho ireo mpianatra mbola maneho ny hatezerany tsy mitsaha-mitombo.

Togo : Miampànga Ny Fanitsakitsahana Ny Fahalalahan'ny Asa Fanaovana Gazety Ireo Togole Mpanao Gazety

  08 Aogositra 2011

Nivelively ny rarivato natao ho làlana ireo togole mpanao gazety tamin'ny Sabotsy 06 Aogositra mba hanoherana ny fandrahonana ho faty mahazo ny sasany amin'ny naman'izy ireo. Tamin'ny Alarobia 03 Aogositra no nalefan'ny fikambanana "SOS Journaliste en danger"(Vonjeo ny mpanao gazety fa tandindonin-doza) ny antso, tao Lomé. Ireny fandrahonana ireny dia avy amin'ny Masoivohom-pitsikilovanam-pirenena na "Agence nationale de renseignement (ANR)" ary drafitra ikendrena mihitsy ny «hanohintohinana ara-batana ireo mpanao gazety, indrindra amin'ny famoronana loza sarintsariny, ny fanapoizinana, ary ny famoronana antontan-taratasy isan-karazany etsy sy eroa». Sylvio Chombey no manazava: