Tantara mikasika ny Fanoherana tamin'ny Janoary, 2011
Ejipta: Fanoherana an-dahatsary ny 25 Janoary
Nidina an-dalamben'i Kairo sy ny tanàna Ejipsiana maro hafa ny mpanao fihetsiketsehana ny talata 25 janoary teo izay andro tsy niasana, “Andron'ny Polisy”, hanoherana ny 30 taona nitondran'olo-tokana nanjakan'ny Filoha Muhammad Hosni Mubarak. Maro amin'ny mpitazana no nahatsikaritra ny fahabangan'ny tatitra ataon'ny gazety be mpanaraka, saingy nanangona andian-dahatsary ao amin'ny Youtube kosa ny olo-tsotra.
Ejipta: Fa Misy Inona ao Suez?
Maro ny tatitra mikasika ny fifandonanan'ny mpanao fihetsiketsehana sy ny mpitandro filaminana no mivoaka avy ao Suez, 129km atsinanan'i Cairo renivohitra, sady mafy sy mazava, raha miditra indrindra amin'ny andro fahatelo ny hetsika rehetra manerana an'i Ejipta. Miaraka amin'ny fahatapahan'ny tambajotra finday, manjavozavo ho an'ireo mponin'ny aterineto ny vaovao. Ny fanontaniana mipoitra dia ny hoe: Fa misy inona ao Suez?
Ejipta: Taorian'ny Twitter, Voasakana koa Ankehitriny ny Facebook
Nosakanan'i Ejipta koa androany ny fidirana amin'ny Facebook, tafiditra ao anatin'ireo fangiàzana ny fivezivezen'ny vaovao ataony, taorian'ny hetsi-panoherana omaly. Omaly ihany koa, nosakanany ny fidirana amin'ny Twitter, nokorontanina ny fifandraisana tamin'ny finday tamin'ireo faritra nifamorian'ny mpanao fihetsiketsehana, ary nobahanana ny fahafahana mandefa video mivantana tao amin'ny tranonkala Bambuser.
Ejipta: Nirotsaka ny Alina, Taorian'ny Andron'ny Haromotana
Raha nirotsaka handrakotra an'i Ejipta ny haizin'ny alina, nitohy hatrany kosa ny hetsi-panoherana tao Cairo sy nanerana ny firenena. Toy izany koa ny tatitra momba ny herisetran'ny polisy, nefa koa ny hetsika maha-te-hidera avy amin'ireo mponina sy mpandraharaha eo an-toerana. Ho hita eo amin'ny maraina raha hitohy na tsia ny hetsika.
Ejipta: Ny Hetsiky ny 25 Janoary an-tsary
Mahalaza betsaka noho ny tweets an'arivony ny sary iray, indrindra rehefa hoe voasakana ny Twitter ao Ejipta mba hanakanana ny fampitana vaovao mikasika ny fihetsiketsehana mitranga eto Ejipta androany
Ejipta: Voasakana ny Twitter raha mbola mitohy kosa ny fihetsiketsehana
Nanao dingana iray indray i Ejipta amin'ny adiny amin'ny Aterineto, ary dia nanapaka ny fifandraisana amin'ny finday any amin'ireo faritra nambara fa hifamorian'ireo mpanohitra an'arivony androany mandritra ny Andron'ny Revolisiona. Ny tanjona dia toa hifehezana ireo andiana mpanao fihetsehana sy hanakendana ny hetsika.
Afghanistan: Hetsi-panoherana tao Kabul manohitra ny governemanta Iraniana
Nanao fihetsiketsehana teo ivelan'ny masoivoho Iraniana tao Kabul ireo Afgana mpanohitra tamin'ny Alakamisy, Afghanistan manohitra ny antsojay mahazo ny Afgana mpifindra monina sy mpialokaloka any Iran, ary koa manohitra ny ankivy ara-tsolika avy any Iran mahazo an'i Afghanistan amin'izao fotoana izao.
Alzeria : midera ny herim-pon'ny vahoaka any Tonizia ny any Alzeria
Noharabain'ny mponina any Alzeria ny hetsika fanoherana nataon'ny vahoaka tany Tonizia nandravana ny fanjakan'i Zine El Abidine Ben Ali [EN] izay nanjaka tokana nandritra ny 23 taona. Any amin'ny resadresaka rehetra, ny bilaogy sy ny facebook, dia tsy hitan'ny vahoaka any Alzeria intsony izay hilazana ny herim-pon'ny vahoaka Toniziana izay nanohitra...
Frantsa: Ilay akamanay taloha manahirana, Monsieur Ben Ali
Nipoitra ihany. Mahatsapa ny fanaovana mody fanina ao anatin'ny fotoana maharitra ataon'ny mpanao politika frantsay sy ny gazety mahazatra, noho ny fifankatiavana naharitra ampolony taona maro (teo amin'i Frantsa sy) teo amin'ny fitondrana Ben Ali ny mpamaham-bolongana frantsay sy ny mpisioka an-tserasera - ka hametraka tantara ho an'ny iray amin'ny zanatany Frantsay teo aloha, Tonizia, sy ho an'ny herinandro manantantaran'ny fahadisoana diplaomatika sy ny fanginana mahamenatra tany Frantsa.
Tonizia, Alzeria: Tsy havoaka amin'ny fahitalavitra ny revolisiona
Nisarika ny fifantohan-tsain'ny mpitoraka blaogy any amin'ireo firenena roa tonta ireo ny fanoherana any Tonizia sy Alzeria. Toa mitàna toerana lehibe eo amin'ny fitantaràna ireo tranga miseho momba ny sivana mahery vaika mihatra amin'ny haino aman-jery mahazatra (matetika an'ny fanjakàna) sy ny aterineto ny media sosialy. Indro misy topimaso amin'izay...