· Febroary, 2009

Tantara mikasika ny Fanoherana tamin'ny Febroary, 2009

Hong Kong: Nihemotra ny volavolandalàna momba ny fifidianana…………. Resak'alika izany!

  15 Febroary 2009

Raha toa ka ny fifanarahana tahaka ny filan-kevitry ny fifidianana no nanjary “adin’alika” eo imason’ireo ikoizan’ny lalana , Inona kosa ary izany no anjara asan’ny filan-kevitra momba ny fifidianana? Eny fa na dia ny tanjaky ny adin’alikan’ireo mpanao lalana LSD aza dia rava, mety hisy fanarenana mendrika ao amin’ny lamina tsy ara-demokratika ve ny ady hevitra eo amin’ny filan-kevitry ny fifidianana?

Madagasikara: Mampihorohoro an'Antananarivo ny tsaho

  15 Febroary 2009

Simban'ny krizy politika efa mandratra an'i Madagasikara amin'izao fotoana izao Marina sy ny fahafaha-miteny. Mandeha ny fandrahonana ary miely ny tsaho, manampy trotraka ny fampihorohoroana tsy mampilamina sy tsy mampitombina mihitsy izany rehetra izany. Taterin'i Jentilisa, mpamaham-bolongana iray tsy manohana mihitsy ny hetsika fanoheran'i Andry Rajoelina, fa nahazo fandrahonana izy:...

Madagasikara: Miady hevitra ny momba ny Asabotsin-drà ny mpamaham-bolongana

  13 Febroary 2009

Nihamatroka ny toe-draharaha teto Madagasikara hatramin'ny 26 janoary 2009 nisiana fihetsiketsehana sy fandrobana nahafatesana hatramin'ny 50. Mbola nandriaka ny ra ny andron'ny Asabotsy 07 Febroary. Tononin'ny sasany ho “Asabotsy Mena” koa noho ny nitifiran'ny mpiambina ny filoha ny mpanao fihetsiketsehana nifamorivory teo ivelan'ny lapan'Ambohitsorohitra. Nizotra ho eny an-dapa ny mpanao...

Ejipta : tsy mitsahatra ny fisamborana ireo mpitoraka bilaogy

  13 Febroary 2009

Mbola lasibatry ny mpitandro ny filaminana sy ny manam-pahefana hatrany ny mpitoraka bilaogy Ejiptiana. Nandritra ny herinandro fotsiny izao dia efa mpitoraka bilaogy 2 no voasambotra. Ny nanombohan'ny tantara anankiray amin'ireo dia ny diabe natao hoe “ho any Gaza” nokarakarain'ny mpanao pôlitika mahery fihetsika 14 avy any Ejipta, Etazonia, Angletera,...

Korea: Ny taombaovao an-aterineto sy avy amin'ny onjam-peom-pirenena

  11 Febroary 2009

Mampientanentana ny olona na aiza na aiza ny fiandrasana ny taona vaovao. Miara-mivory amin'ny toerana iray ny olona mandray ny taona vaovao. Eto Korea dia eny amin'ny tilikambom-pamataranandron'i Bosingak ny olona no mifamotoana. Kanefa toa niainga tamin'ny korontana ity taona ity. Tsy maintsy nametraka ny onjam-peom-bahoaka KBS eo amin'ny toeran'ny...

Madagasikara: Maherin'ny 25 no maty nandritra ny diabe ho any Ambohitsorohitra

  07 Febroary 2009

Jereo ny takelaka manokana momba ny Tolona politika eto Madagasikara. Raha kely indrindra dia 25 no voatifitra maty teto an-drenivohitr'i Madagasikara Antananarivo nandritra ny diabe politika niantsoan'i Andry Rajoelina Ben'ny tanàna, izay efa nanandra-tena ho filohan'ny fahefana avon'ny tetezamita, ny mpanaraka azy ho eny Ambohitsorohitra. Nandritra ny herinandro vitsivitsy moa...

Goadelopy: Hetsika ara-tsosialy vaovao

  04 Febroary 2009

Roambitelopolo, efatrambitelopolo, eninambitelopolo ary izao dia roambidimampolo – ireo no isa manan-tantara tsy mitsaha-mitombon'ireo vondrona sendikaly, ara-kolotsaina sy vondrona niforona tamin'iny volana lasa iny sy ny taloha tany, miombona anaty teny faneva iray: Lyannaj kont pwofitasyon, dikanteny Kiriolona [Creole] ho an'ny hoe “Ndeha hijoro isika hanohitra izay rehetra endri-panararaotana”. Tao...