Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

· Avrily, 2008

Tantara mikasika ny Fanoherana tamin'ny Avrily, 2008

Shina: Ny Carrefour no mahazo vahana

Egypta:Ataovy ankivy izao tontolo izao

Ny olona eran'izao tontolo izao dia mampiasa ny fanerena ara-toe-karena mba hanoherana fanapahan-kevitra politika amin'ny alalan'ny fiantsoana fanaovana ankivy ny vokatra avy amin'ny firenena voafaritra mazava. Miaraka amina firenena maro izay ampidirina foana ao anatin'ny lisitr'ireo tratry ny ankivy, dia mizara izao hevi-baovao izao ny mpitoraka blaogy Egyptiana Tarek. Ataovy...

Korea: Tsy fahampian’ny vary fahiny sy ankehitriny

Hita ombieny ombieny ity resaka olana ara-bary ity. Nisy hetsika mafimafy ihany natao teto Korea ho fanoherana ny fanokàfana ny tsenan’ny vary amin’ny firenena hafa. Mpikirakira aterineto iray nandray anjara tamin’ny hetsika ho famelàna ny tsena ho an’ny eto an-toerana ihany no miresaka momba ny fahiny sy ny ankehitriny. 15년전...

Haiti: Ny anton'ny rotaka

Ezipta: 631 no voatazona ao Mahalla

Shina: Ny fiantraikan'ny fihetsiketseham-panafahana an'i Tibet

Nampangotrangotraka ny fihetseham-pom-pitiavan-tanindrazana shinoa fatratra ny filaharam-panoherana ny shinoa tamin'iny herinandro lasa iny. Hany ka raha nisy zatovovavy mpianatra any etazonia “tratra” nandray anjara tamin'ny fihetsiketseham-panafahana an'i Tibet dia anjatony ny mpiserasera nanompa azy araka izy any an'eritreriny any.

Bahrain:Fahafatesana polisy nampizara mpitoraka blaogy

Vao niandoha ny herinandro dia polisy Barhaini iray, Majid Asghar Ali, 27 taona, no maty raha nisy nanafika ny fiara mpanao fisafoana iray ary nirefotra ny basy tao amin’ny tanana iray antsoina hoe Karzakan. Haingana tokoa ny mpitoraka blaogy avy ao Barhain nitondra fanamarihana. Tohina mafy i SoulSearch: Fa inona...

Egypta:Ny tantaran'i Sounilla

Zava-bitika ihany no mba hain’i Sounilla, mpianatra Amerikanina, hoe anaty inona ary izy izany no mizotra raha nahita mpianatra roa avy amin’ny anjerimanontolo misy azy nijoro teo afovoan’ny Cairo Square izy ary nanapa-kevitra ny handeha ho eny amin’izy ireo ka ny fakantsariny dia tsy miala any amin’ireo. Tsy hay hoe...

Sri Lanka: Atsaharo ny fanenjehana mpanao gazety

International Federation of Journalists (IFJ) Federasiona Iraisam-pirenen’ny Mpanao gazety, fikambanana iray milofo amin’ny fiarovana sy fanamafisana ny zo sy fahalalahan’ny mpanao gazety dia miantso mba hanaovana ny 10 Aprily ho Andro Iraisam-be, ampitondraina ny teny faneva hoe “Atsaharo ny fanenjehana ny Mpanao gazety eto Sri Lanka“. IFJ dia miantso ireo...

Arzentina : Mpianatra sekoly ambony mampiasa lahatsary aseho aterineto hitaterany ny olana mianjady aminy

Te-hisintona ny mason’ny famoaham-baovao[es] hilazany ny olana mahazo azy ny mpianatry ny sekoly ambony arzantina tamin’ny fametrahana lahatsary tao amin’ny YouTube : mila trano lehibe afaka ianarana ry zareo. Amin’izao fotoana izao dia any amin’ny sekoly fanabeazana fototra no mamonjy sekoly ny Ipem 112 “César Iñíguez Montenegro”, any Sebastián Elcano,...