Tantara mikasika ny gazety
Fanehoana ny Fahasamihafan'ny Tolona : SyriaUntold Herintaona Aty Aoriana
Syria Untold natomboka herintaona lasa izay, nandinika fomba maro mba hitantarana ny tolona Siriana sy ny endrika fanoharana isan-karazany. Nanadihady an'i Leila Nachawati, mpikambana ao amin'ilay ekipa ny Rising Voices ho fampahafantarana bebe kokoa.
MENA: Mianatra Momba ny Fiarovana Ara-Dizitaly, Amin'ny Aterineto
Misy filàna fiarovana mihamitombo eny anivon'ireo mpikatroka mba hiarovana ny maha-izy azy no sady manohy ny tolona hisianà tontolo Arabo malalaka. Sehatra an-tambajotra iray maniry ny hanampy azy ireo ho voaaro ny Akademia An-tambajotran'ny Cyber Arabo.
Balkans: Mankatoa ny fijoroan'i Kosovo i Makedonia sy i Montenegro
Tamin'ny 9 Oktobra, ankatoavin'i Montenegro sy i Makedonia ny fahaleovantenan'i Kosovo. Nanamarika ny bilaogera iray fa "kisendrasendra, nampitombo ny isan'ny firenena mankatoa ho 50 indrindra izany."
Thailandy: Famoriam-bahoaka sy ny vaovao farany ao amin'ny Twitter
Mihodidina ny tranoben'ny Parlemanta ireo mpanao fihetsiketsehana manohitra ny governemanta ao Thailandy tamin'ny alatsinainy maraina. Notarihan'ny Firaisam-bahoaka ho an'ny Demokrasia (PAD), te-hanongana ny governemanta ireo mpanao hetsi-panoherana. Nafindra vonjimaika tany amin'ny Seranam-piaramanidina Don Mueang ny biraon'ny filoha ao amin'ny firenena.
Fifidianana Amerikana. Maneho Hevitra Izao Tontolo Izao.
Ry mpankafy vaovao politika, henoy! Bilaogy momba ny fifidianana Amerikana ao amin'ny Global Voices, Voices without Votes miasa tsy an-kiato mba hanome anao tsy tapaka momba ireo fanehoan-kevitra manerana izao tontolo izao.
Tontolo Arabo Manohitra Ny “Fandripahana ao Gaza”
Mitaraina noho ny manjò ny vahoaka ao Gaza ny olona manerana ny tontolo Arabo taorian'ny fanafihana marobe nataon'i Israely, izay nahafatesana Palestiniana 200 mahery sy naharatrana 700 mahery.
Madagasikara: “Tsapako Ho Toy Ny Any Anaty Sarimihetsika Miresaka Ady Aho”
Nandray kihon-dàlana hafa indray ny olana politika misy ao Madagasikara , efa nitarazoka hatramin'ny Janoary lasa eo, miaraka amin'ny feom-basysy entona mandatsa-dranomaso, satria nifandona nanerana an'Antananarivo renivohitra ny polisy sy ireo mpanao hetsi-panoherana. Fijoroana vavolombelon'ireo nanatrika, tao amin'ny Facebook sy Twitter.