Tantara mikasika ny gazety

Mumbai sy ny horohoro: Ny ampitso

  08 Novambra 2018

Nanaitra ny firenena iray manontolo ny fanafihana tamin'ity halehibeny ity. Raha tsy vahiny amin'ny fipoahana baomba sy fanafihan'ny mpampihorohoro i India, dia tsy nampoizina ny toe-javatra momba ny takalon'aina naharitra ela be tao amin'ny toerana malaza iray. Ny fanodinana ny zotra-piaramanidina tamin'ny taona 1999 no takalon'aina farany notantaraina betsaka.

Fifidianana tany Iran: Nanao fanentanana an-tserasera ny mpanohana an'i Ahmadinejad 

Nilatsaka kandida ho an'ny fifidianana filoham-pirenena ny volana Jona 2009 ny filohan'i Iran Mahmoud Ahmadinejad . Tahaka ireo mpifaninana aminy, niandry ny fankatoavana ofisialy hifaninana tamin'ny fifidianana avy amin'ny Vaomieran'ny Mpiambina izy. Nandritra izany fotoana izany, nanomboka fanentanana antsoina hoe "Manaraka ny Hatsaram-panahy" ireo mpanohana an'i Ahmadinejad .

Bahrain: Marobe ireo tranonkala voakatona

Marobe ireo tranonkala nakatona tao Bahrain taorian'ny famoretana vaovao nataon'ny minisiteran'ny fampahalalam-baovao. Nahantonga ireo  tranonkala tahaka ny Google Translate sy ny tranonkala ara-tsosialy, ara-pivavahana, momba ny zon'olombelona sy ny vondrona ara-politika ho tsy azon'ny olona nidirana tao Bahrain intsony ny fanakatonana farany.