Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

Tantara mikasika ny gazety tamin'ny Novambra, 2018

29 Novambra 2018

Miditra vanim-potoana vaovao ny fifandraisana India-Amerikana

Tany am-piandohan'ity volana ity, nanaisotra ny sazy maherin'ny 30 taona amin'ny varotra nokleary amin'i India ny governemanta amerikana. Nanasonia volavolan-dalàna manome alalana ny fanampian'ny Amerikana ny fandaharan'asa angovo nokleary sivily ao India ny filoha Amerikana Bush.

26 Novambra 2018

Sahara Andrefana: Adihevitra mikasika ny sarintanin'i McDonald

Niatrika adihevitra ny sampan'ny McDonald Maraokana tamin'ny herinandro lasa taorian'ny namoahany kilalaon'ankizy "Happy Meal" izay ahitana sarintanin'i Maraoka. Ny sisintany eo amin'ny sarintany dia manasaraka an'i Sahara Andrefana amin'i Maraoka; Faritany ifandiran'i Maraoka sy ny Front Polisario tohanan'ny Alzeriana i Sahara Andrefana.

08 Novambra 2018

Mumbai sy ny horohoro: Ny ampitso

Nanaitra ny firenena iray manontolo ny fanafihana tamin'ity halehibeny ity. Raha tsy vahiny amin'ny fipoahana baomba sy fanafihan'ny mpampihorohoro i India, dia tsy nampoizina ny toe-javatra momba ny takalon'aina naharitra ela be tao amin'ny toerana malaza iray. Ny fanodinana ny zotra-piaramanidina tamin'ny taona 1999 no takalon'aina farany notantaraina betsaka.