Tantara mikasika ny gazety tamin'ny Avrily, 2018
Balkans: Mankatoa ny fijoroan'i Kosovo i Makedonia sy i Montenegro
Tamin'ny 9 Oktobra, ankatoavin'i Montenegro sy i Makedonia ny fahaleovantenan'i Kosovo. Nanamarika ny bilaogera iray fa "kisendrasendra, nampitombo ny isan'ny firenena mankatoa ho 50 indrindra izany."
Thailandy: Famoriam-bahoaka sy ny vaovao farany ao amin'ny Twitter
Mihodidina ny tranoben'ny Parlemanta ireo mpanao fihetsiketsehana manohitra ny governemanta ao Thailandy tamin'ny alatsinainy maraina. Notarihan'ny Firaisam-bahoaka ho an'ny Demokrasia (PAD), te-hanongana ny governemanta ireo mpanao hetsi-panoherana. Nafindra vonjimaika tany amin'ny Seranam-piaramanidina Don Mueang ny biraon'ny filoha ao amin'ny firenena.
Fifidianana Amerikana. Maneho Hevitra Izao Tontolo Izao.
Ry mpankafy vaovao politika, henoy! Bilaogy momba ny fifidianana Amerikana ao amin'ny Global Voices, Voices without Votes miasa tsy an-kiato mba hanome anao tsy tapaka momba ireo fanehoan-kevitra manerana izao tontolo izao.
Tontolo Arabo Manohitra Ny “Fandripahana ao Gaza”
Mitaraina noho ny manjò ny vahoaka ao Gaza ny olona manerana ny tontolo Arabo taorian'ny fanafihana marobe nataon'i Israely, izay nahafatesana Palestiniana 200 mahery sy naharatrana 700 mahery.