· Avrily, 2019

Tantara mikasika ny Politika tamin'ny Avrily, 2019

Rosia: Tantara tsangana “handrafetana indray” ny fahafatesan'ilay mpisolovava Magnitsky

Mitohy ny adihevitra momba ny fepetram-pamonjana, nateraky ny fahafatesan'i Magnitsky - ary azo inoana fa hiditra amin'ny dingana vaovao izany: eo am-pamolavolana ny tantara izay "handrafetana indray" ny horohoron'ny ora farany niainan'i Magnitsky i Mikhail Ugarov (mpisera LJ m_u), mpilalao sarimihetsika mahatsikaiky sady tale ara-java-kanto ao amin'ny Teatr.doc (RUS), teathra ao Moskoa.

Shina : Sazy valo taona an-tranomaizina ho an’ilay tomponà cybercafe

GV Mpisolovava  14 Avrily 2019

Voaheloka higadra 8 taona an-tranomaizina i Cao Haibo, 27 taona, tomponà cybercafe iray noho ny fiampangana azy tamin’ny ‘’fanakorontanana ny Fanjakana’’, tamin’ny 31 Oktobra 2012 tao Kunming, tao amin’ny faritanin’i Yunnan, araka ny vaovao avy ao amin’ny New York Times tamin’ny 01 Novambra 2012.

Malezia: Tetikasa Fanarenana Faharoa

  13 Avrily 2019

Tsy ampy ilay tetikasa fanarenana ny toekaren'i Malezia natao voalohany tamin'ny 2008. Vokany, nanambara tetikasa fanarenana faharoa ny governemanta ny volana Martsa 2009.

Nitory ny lehiben'ny repoblikan'i Sakha (Rosia) ireo mpikatroka zon'olombelona ao Moskoa noho ny fandraràna ireo mpifindra monina

Akon  13 Avrily 2019

Tsy maintsy hiady amin'ny fihetsik'i Yasen Nikolayev amin'ny antony ara-dalàna manokana ireo mpikatroka zon'olombelona Rosiana tahaka ny "The Land Without Racism and Xenophobia" (Ny tany tsy misy fanavakavaham-bolon-koditra sy fankahalana vahiny), milaza fa tsy ilaina ny fifehezana ny tsenan'ny mpiasa eo an-toerana any Yakutia.