Tantara mikasika ny Politika tamin'ny Febroary, 2022
Nataon'ny praiminisitra Zeorziana fanomezana ho an'ny vadiny ny ampahany tamin'ny alan'ny fanjakana
Nahazo fanakianana ny Praiminisitra Zeorziana Irakli Gharibashvili taorian'ny nanofan'ny governemanta ho an'ny vadiny ny alam-panjakana efa ho 6.000 metatra toradroa tao an-tanànan'i Bakuriani.
Malalaka ny lalan'i Mia Mottley tamin'ny fifidianana voalohany amin'ny maha-repoblika an'i Barbados
"Raha tsy ijerena ny ikambanany ara-politika, nanamafy ny toerany eo amin'ny tantaran'i Barbados ny Praiminisitra Mia Mottley."
Kambodziàna mpiangaly RAP nivoady hanoratra hira fanakianana na efa nigadra taona iray aza noho ny fandrisihana olona
"Tsy hitsahatra hanoratra sy hihira ireo hirako momba ny fireneko aho. Hotohizako ny hanabe ny vahoaka amin'ny alàlan'ny hirako sy hitaiza ny fanahin'ny fitiavan-tanindrazana hitohy hatrany"
Namoaka pasipaoro vaovao ahitana ireo malazan'ny tantara an-tsary ao aminy i Belzika
"Ny fampidirana ity pasipaoro vaovao ity ihany koa no fotoana ahafahantsika manasongadina ny kanto faha-9, ny tantara an-tsary, izay singa fototra amin'ny kolontsaintsika sy ny tarapahazavana entiny any ivelany."
Nifidy ny hijanona miaraka amin'i Frantsa i Nouvelle-Calédonie tamin'ny fitsapan-kevi-bahoaka tsy nandraisan'ny vahoaka indizeny anjara
"Tsy afaka aorina ny hoavin'i Nouvelle-Calédonie raha tsy misy ny vahoaka indizeny. Ny feo Kanak no vato fehizoron'ny lahatra iraisan'i Nouvelle-Calédonie."