Tantara mikasika ny Politika tamin'ny Aogositra, 2019
Togo : Nandresy ny fahalalahan’ny fampahalalam-baovao, saingy mitohy ny fifandonana
Faly tamin’ny fanapahan-kevitry ny Fitsarana Avo momba ny Lalampanorenana tamin’ny fandàvana ny lalàna izay nametra ny fahalalahan’ny fampahalalam-baovao ireo mpanao gazety avy ao Togo, firenena iray any Afrika Andrefana.
Andron'ny Fahafahana ao Trinidad & Tobago — fa tena afaka tokoa ve aloha ilay firenena e?
"Fonosin'io fahafahana io daholo ny fahafenoana sy ny harena maha-ianao anao, ny niavianao, ny rà sy ny tantara mikoriana ao anatinao."
“Firaisankina amin'i Hong Kong: mivoaka any anaty gazety lehibe erantany ny antso atao amin'ireo mpitarika G20 momba ny krizin'ny lalàna mikasika ny fampodiana olomeloka”
Misy tolodalàna ahafahana manolotra ireo mponina ao Hong Kong hiatrika fitsaràna any amin'ny tanibe Shina. Antsoin'ireo mpanao hetsipanoherana ireo mpitarika ny G20 mba hanohana azy ireo
Lavin'ny praiminisitra ao Trinidad sy Tobago ny hanameloka ny lehiben'ny fitsaràna
"Ny fehinkevitra hitako ao anatin'ny toedraharaha rehetra dia hoe tsy ampy ho entina manamarina [...] hoe mila anaovana fanadihadiana ny fanesorana ny filohan'ny fitsaràna"
Tantaran'i Shina voasivana: Ny tolona hitondrana ny tsiaron'ny fandripahana tao Tiananmen mankany amin'ny hoavy
Amin'ny alalan'ny asakanto, hira ary sary-sy-soratra no anivahan'ny Shinoa mpisera aterineto ny sivan'ny fandripahana tao amin'ny kianjan'ny Tiananmen tamin'ny taona 1989.
Lasa fanevatevàna ao Bolgaria ny teny hoe “karazana”
Zavatra mahazatra ao Bolgaria ny fankahalàna ny pelaka sy ireo nanova fananahana, firenena iray izay vao haingana ny governemanta ao aminy no nikisaka nanatona ny hery farany ankavanana.