· Aogositra, 2018

Tantara mikasika ny Politika tamin'ny Aogositra, 2018

Kambodza : Ny Politikan'ny Vary

  21 Aogositra 2018

[...] vokatry ny fampanofàna tany kambodziana amin'i Vietnam mpifanila vodirindrina aminy mba hahafahany mampitombo ny velarantany fambolena ho an'ny sehatry ny indostriam-pambolena[...] Mampanahy an'i Yeap ny zavamisy sao hivadika ho titra filazana ny maha-tompon'ny tany ireo fifanarahana [...] endrika mampiavaka ny kolontsaina kambodziana ny vary

Firaondraonan'ny bilaogy ao Bangladesh

  19 Aogositra 2018

(Marihina fa tamin'ny 25 Septambra 2006 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy) Ny zava-nitranga manerana izao tontolo izao avy amin'ny bilaogy Bangladeshi : * Fanabeazana: Nanakiana ny rafitry ny fanadinana farany an-tsekoly -S.S.C. (Ambaratonga faha-10) any Bangladesh i Tanvir avy ao amin'ny bilaogy Journal of a Disturbed Mind. Maro ny mpianatra...

Thaïlandy : Songkran Mainty

  19 Aogositra 2018

(2009) Songkran, ny fetin'ny taombaovao Thaï, izay ankalazaina ny 13 ka hatramin'ny 15 Aprily dia matetika no fotoana iray feno fifaliambe ao Thaïlandy. Antsoina hoe "Songkran mainty" ny Songkran amin'ity taona ity nanomboka tamin'ny nisian'ilay fifandonana teo amin'ny miaramila sy ireo mpanao hetsipanoherana ny fitondrana ankehitriny. Roa ireo mpanao fihetsiketsehana no maty, ary an-jatony ireo naratra nandritra ilay fifandonana teny amin'ny lalamben'i Bangkok.

Bush sy ny Islamo Indonezia

  18 Aogositra 2018

Raha nijery ny CNN na ny BBC ianao nandritra ny fitsidihan'i Bush tany Indonezia dia mety nahita ny mpanao fihetsiketsehana marobe tao an-drenivohitr'i Indonezia, Jakarta niaraka tamin'ny teny filamatra manohitra an'i Bush na raha ny marimarina kokoa dia manohitra ny politikan'ny raharaham-bahiny Amerikana.

Ny tosika ao amin'ny tontolon'ny bilaogy Saodiana

Navotsotra i Mohsen Al-Awaji rehefa nogadraina nandritra ny 11 andro, ary mieritreritra i Aya fa ity hetsika nataon'ny governemanta ity dia lesona azo tsoahina ho an'ny Saodiana: "Sahy manakiana ny governemanta ve ianao satria afaka manao izany amin'ny fotoana rehetra, sa esorina aminao ny fahafahanao sy ny fahamendrehanao. "