· Jona, 2018

Tantara mikasika ny Politika tamin'ny Jona, 2018

Fisamboran'i Vietnam mpisolovava sady mpanoratra malaza iray

  21 Jona 2018

Nosamborin'ny polisin'ny minisiteran'ny filaminam-pirenena ao Vietnam noho ny fandraisany anjara tamin'ny asa fanakorontanana i Le Cong Dinh. Io Dinh io dia mpisolovava iray malaza amin'ny fanohanana ny demaokrasia, fiarovana ny zon'olombelona ary amin'ny asa soratra. Vondrona famoaham-baovao sy mpampianatra ambony ao an-toerana maro no nanameloka ny fisamborana an'i Dinh.

Fanentanana CCTV mamely ny Google.cn

  21 Jona 2018

namoaka tatitra iray tao amin'ny pejiny voalohany izay miampanga ny Google.cn amin'ny fampielezana votoaty vetaveta ny Foibe Fitaterana momba izay Vaovao Tsy manara-dalàna amin'ny Aterineto ao Shina  (CIIRC).

Nepal: Mbola tsy manana mpitarika

  20 Jona 2018

Iray volana mahery taorian'ny fametraham-pialan'ny praiminisitra Madhav Kumar Nepal, mbola tsy manana mpitarika ny  Repoblika Demaokratika Federalin'i Nepal. Tsy nahavita nanome mpandresy mazava ny fifidianana in'efatra, misy ny fifidianana faha-dimy ho atao amin'ny 18 aogositra.

Kyrgyzstan: Adihevitra noho ny famarotana ny orinasam-pirenena momba ny fifandraisan-davitra

Nanao ny fanadihadiany manokana momba ny fifanarahana, izay namarotana ny petra-bolan'ny orinasam-pirenena Kyrgyzztelecom ireo mpisera malaza ao amin'ny forum aterineto Kyrgyz "Diesel". Araka ny voalazan'izy ireo, mifamatotra amin'i Maksim, zanaka lahin'ny Filoha Kyrgyz, Kurmanbek Bakiyev' izay voatendry vao haingana tamin'ny toerana ambony ara-toekarena ao amin'ny governemanta ireo tompon'ny orinasa vaovao.