· Mey, 2018

Tantara mikasika ny Politika tamin'ny Mey, 2018

Ny Fahamarinana Sy Ireo Vokany

Ny zavatra voalohany nanaitra ahy rehefa nandalo teo anoloan'ny Sendikàn'ny Gazety aho, vao tsy ela akory izay tamin'ity herinandro ity, mba hanongilan-tsofina hihaino ny fihaonan'ireo blaogera ejiptiana, dia ny fisian'ireo fiaraben'ny Fiarovana Foibe nihantsona manodidina ny zoron-dalana rehetra

Fifidianana Any Iràka : Ny Sasany Manao Ankivy Ny Fifidianana ‘Tsy Misy Dikany’, Ny Hafa Mifidy Hanozongozonana Ny Parlemanta

Tsy misy akory ny tena fiovàna marina ary dia voafandrika ao anaty lavaka mangitsokitsoka izay nohadian'ny mpanao politika sangany izahay ; nampiasainy ny fahefany mba handaniana ny lalàna hiantohana ny fijanonan'ny antoko lehibe ao amin'ny governemanta ary hahafahany hanohy hatrany ny fomba ratsiny : ny kolikoly. Tsy omeny , na dia vintana kely fotsiny aza, ny mpifidy mba hanala aminy ny fahefàny.

Shily-Etazonia: Ilay Fihaonan'i McCain sy Pinochet Tamin'ny 1985

  24 Mey 2018

“[ilay] nandà mafy indrindra ny tsy hipetraka eo anilan'ny mpanao jadona raha tsy efa misy fifanarahana mialoha, no nanao izany tamin'ny iray amin'ireo fahavalo tena henjana ho an'ny zon'olombelona, tomponandraikitra tamin'ny fahafatesan'ireo olontsotra maherin'ny 3.000 ary famonjàna an'aliny marobe.”

Haiti: Ny Antoko Fanmi Lavalas Nalàna Tsy Ho Ao Amin'Ireo Fifidianana Manaraka

  23 Mey 2018

Na teo aza ny fanilikilihana nisy teo amin'ireo antoko politika sasany, nanantitrantitra i Janet Ann Sanderson Ambasadaoron'i USA ao Haiti […] fa any amin'ireo Fanjakana demokratika 'ireo fifidianana marina sy demokratika dia andraisan'ny rehetra anjara ary tsy manavaka' ary tsy maintsy manampy amin'ny 'fampiraisana ny demokrasia' amin'ny fampandraisana anjara an'ireo antoko politika lehibe rehetra.