Tantara mikasika ny Politika tamin'ny Febroary, 2017
Mitaky Fampihenàna Ny Vola Miditra Amin'ny Antoko Politika Ny Hetsika Iray Ao Meksika
#SinVotoNoHayDinero, hetsika tarihin'ireo solombavambahoaka tsy miankina roa mba hampihenàna ny vola miditra amin'ny antoko politika.
Mihatony ny Krizy Politika ao Borondi, Ampanginina ny Mpitsikera
Marobe ireo mpanao gazety sy mpikatroka nandositra ny firenena, ary tsy hita mihitsy aza ny sasany.
Fanavaozana Ara-Pinoana ao Ejipta Hahafahan'ireo Vehivavy Mpananatra Hiakatra Ambony Pilipitra
Mitodika any amin'ny vehivavy ny governemanta ejiptiana amin'ny fampielezankeviny hitondrana fanavaozana ny kabary ara-pivavahana. Politika tsy nahafaly ny maro.
Tratran'ny Mpanaramaso ny Ady Amin'ny Kolikoly Okrainiana Indray Ireo Depiote Mandatsa-bato Imbetsaka
Knopkodavstvo, na tsindry bokotra fanampiny, araka ny fahafantarana ny paikady, no manjaka amin'ny latsa-bato ao amin'ny parlemanta ao Okraina nandritra ny taona maro.
Djibouti : Ho Toerana Hanehoana Ny Fifanandrian'i Trump sy Shina ve ?
Lasa sehatry ny ady ara-toekarena tanteraka ifanaovan'i Washington sy Pekin koa ny tanibe afrikana
Okrainiana Roa Voasazy Dimy Taona Am-Ponja Noho Ny Fanohanana Ny Fisintahana Ao Amin'ny Media Sosialy
Nosazian'ny fitsarana ao an-tanànan'i Sloviansk ny lehilahy roa noho ny fandrahonana ny filaminam-pirenena ao Okraina.
Tsy Mahasakana Ahy Tsy Ho Miozolomana Dokotera Ny Sisintany Sy Ny Fandrarana
Manome dokotera maro ho an'ny rafitra ara-pahasalamana any Etazonia i Pakistan sy ireo firenena manana Miozolomana maro an'isa maro hafa. Manahy i Jalal Baig fa hisy fiantraikany amin'ireo dokotera vahiny izay mandray anjara ho amin'izany ny famerana ny fifindra-monina .
Hoy Ny Minisitry ny Fanabeazana Ao India Hoe ny Ombivavy no Hany Biby Mifoka Sady Mamoaka Oksizena
"Rahoviana vao hifarana ity tsy misy fotony ity? Sa tsy hifarana mihitsy? Toa mampihomehy noho ny teo aloha avokoa izay fanambarana rehetra. [..] ."
Ny Fomba Hivazivaziana Ao Amerika Miaraka Amin'i Trump
Mitolona ho an'ny asany ireo mpanao hatsikana ao anatin'izao vanimpotoana Trump izao. Iray amin'ireny i Hari Kondabolu, milaza fa maminavina ny hijanona ho mitratrevatreva hatrany.
Roahana Amin'izay ny Lalànan'ny Fanalam-baraka Tamin'ny Vanim-potoanan'ny Fitondrana Jadona Miaramila, Hoy Ireo Mpikatroka Ao Myanmar
"Tsy mety raha miatrika fitsarana ny olom-pirenena iray mitsikera olona iray mahery kokoa noho izy."