Tantara mikasika ny Politika tamin'ny Septambra, 2016
Mbola Ataon'ny Zimbaboeana Fihomehezana Hatrany Ilay Sarivongan'ny Filoha Mugabe ‘Ratsy Tarehy’
Tsara ny nanaovan'i Dominic Benhura ny sarivongana an'i #Mugabe ho ratsy tarehy. Ho faly amin'ny famotehana izany ireo olom-pirenena rehefa mianjera eo amin'ny fitondrana izy.
Tsy Eken'ny Fikambanan'ny Ray Aman-drenin'ny Mpianatra Ao Gresy Ny Hampidirana An-tsekoly Ny Zanak'ireo Mpitsoaponenana
Toherin'ireo mpikambana ao anatin'ny vondron'ireo ray aman-dreny ny fanapahankevitry ny governemanta hampiditra an-tsekoly ireo ankizy 15.000 avy amin'ireo fianakaviana mpifindramonina sy mpitsoaponenana hiditra ho ao anatin'ny rafitra fanabeazana ao amin'ny firenena
Noraràn'i Rosia (Indray) Ny Resa-Betaveta Anaty Tambajotra
Roa goavana sy malaza ratsy nefa be mpitsidika indrindra ny PornHub sy YouPorn izay tsy mitaky fampidiraka akory, saingy tamin'ity herinandro ity, tsara ny manamarika fa voaràra ao Rosia ireo tranonkala roa tena goavana amin'ny aterineto ireo.
Vladimir Putin sy ny Vehivavy Sandoka Hanambady Tao Amin'ny Kianja Mena
Tsy ny faha-ela velon'i Moskoa ihany, na izany aza, no nankalazaina: fara fahakeliny toa natao hampahatsiahy ny Rosiana ny ampahany tamin'ny fampisehoana fa tena lehilahy ny filohan'izy ireo, lehilahy matanjaka.
Mampiharihary Ny Fankahalàna Vahiny Ananan'ireo Japoney ny Firotsahana Feno Fanantenan'ilay Japoney-Taioanezy Ho Mpitarika
Mila mandresy lahatra olona maro i Renho fa izy sy ny Antoko Demokratika vao noforonina dia 'Japoney ampy tsara' raha mandresy amin'ny fanendrena mpitarika amin'ny herinandro manaraka eo izy.
Mahery Vaika Ny Fanafihan'ny Polisy Shinoa Ireo Mpanao Hetsika Nanohitra Ny Fampidirana Am-ponja Ny Filoha Voafidin'ny Tanànakely Iray
Mino ireo mponina fa noterena hiaiky ho nandray kolikoly i Lin satria nanomana hetsi-panoherana manohitra ny fangalana tany an-keriny tsy nahazo ny fankatoavan'ny tanànakely.
Nahemotra Tao Anatin'ny Antso Famotsorana Azy Ny Fitsarana An'ilay Mpanao Gazety Makedoniana Ho Manao Asam-Pitsikilovana
"Hanasaziana ireo mpanao gazety tsy mankato sy handrahonana ary hamehezana ny hafa ny raharaha toy izany."
Taorian'ny Volana Maro Nanoherana, Nandray Vola ihany Nony Farany Ireo Rosiana Mpitrandraka Arintany
Fanoherana naharitra volana iray sy fitokonana tsy hihinana hanina, fa nahazo vola ihany ireo mpitrandraka arintany tao amin'ny faritr'i Rostov no niafaràny.
Hay Ve Tsy Maharo Amin'ny Fandrahonana Ara-politika Avy Amin'i Beijing Na Dia Mpomba An'i Shina Ao Hong Kong Aza!
"Tsy fantatro ny fomba nahafantaran'izy ireo ny fianakaviako, anisan'izany ny olona tena akaiky ny fianakaviako, ireo namana lehibe mpanohana ahy, ny mombamomba azy ireo, ny fidiram-bolan'izy ireo, ny fahazaran'izy ireo - novakiana tsirairay izany, ary nanomboka nahatsapa tahotra aho.."
Filipiana Mpanjono Miady Mafy Ny Helodrano Mba Hiarovana Ny Fonenany Tsy Hiharan'ny Famotehana Sy Fakàna Tany
"Ireo razambenay no teto taloha, 150 taona lasa izay. Izy ireo irery no olona voalohany izay nanadio sy namolaka ny faritra. Ankehitriny, tonga tampoka ny "mpanambola" goavana iray mitady ny fialànay eto amin'ny tany izay nahalehibe anay"