Tantara mikasika ny Politika tamin'ny Aogositra, 2016
Rehefa Miteny Ny Praiminisitra Hoe Tsy Misy Vola intsony, Aleon'ny Rosiana ihomehezana
Ny fihosenana amin'ireo vahoaka tsotra dia atahorana foana ho an'ireo mpanao politika, ary i Medvedev, izay ny tsy fisian'ny charme no tombony politika lehibe ananany, dia nitantana ny zava-nitranga tamin'ny fombany tsy ampy fitandremana efa mahazatra.
Politika Amerikana? Tsia, Misaotra. Voatabia Omena
Mampihomehy ny fiovan'ny fahatsapana tsiro.
Thailandy: Manamafy Sivana Arakaraka ny Anatonan'ny Fitsapankevibahoaka Momba ny Lalàmpanorenana
Raha tian'ny fitondrana miaramila ao Thailandy hojerena tahaka ny azo itokisana ny fitsapankevibahoaka ataony, tsy maintsy hajanony ny fandrahonana ireo mpanao gazety mandrakotra io hetsi-panentanana io ary havelany hikoriana malalaka mankany amin'ny vahoaka ny vaovao.
Na Eo Aza Ny Fahasimbàna Vokatry ny Tondra-drano, Mbola Mandany An-tapitrisany Amin'ny Kodiarana Lehibe Ihany Ny Governemanta Makedoniana
Farafahakeliny 21 ireo maty, ary ampolony ireo tsy hita sy naratra, tamin'ilay tondradrano nikapoka an'i Skopje renivohitr'i Makedonia, taorian'ireo orambe nivatravatra ny 5 Aogositra.
Mamadika Ny Ligin'ny Tanora Kaominista Natanjaka Fahiny Ho Fitaovana Fampielezan-kevitra Amin'ny Aterineto i Shina
Nialoha ny nidiran'ny Filoha Xi tamin'ny fitondrana, natao hanosehana ny lohandohany ara-politika tao Shina ny Ligin'ny Tanora Kaominista.
Ny Tantaran'i César Manuel : Ankizy Mpifindramonina Ao La Havane
Teraka tao La Havane ny sasany tamin'ireo ankizy mpifindramonina, ny hafa indray tonga fony izy mbola kely. Fa na iray aza, tsy misy manana adiresy ao amin'ilay renivohitra izy rehetra.
Ny Antony Itiavan'ireo Rosiana Mpisera Facebook An'i Donald Trump
Maneho ny fomba fijeriny momba an'i Donald Trump ireo Rosiana mpisehatra politika ety anaty media sosialy. Ny ankamaroany, toy ny tena akaiky kokoa an-dralehilahy io ry zareo-- noho ny antony maro samihafa mihitsy.
Raha Mampisalasala Anao Ny Fahatokisam-pirenen'i Pero, Jereo Fotsiny Ny Matso Miaramila Tiany Fatratra
Natao tamin'ny endriny sy toerana maro samihafa ilay matso. Natao tao afovoan'ny Làlana Brezila io amin'izao, miaraka amin'ireo mpijery sasany tonga nialoha ny fiposahan'ny masoandro mba hahazo toerana tsara.
Mihahenjana Ny Toe-Draharaha Politika ao São Tomé sy Príncipe Roa Andro Alohan'ny Fihodinana Faharoa Amin'ny Fifidianana Filoham-Pirenena
Nisy ny tsindry nitranga nandritra ny fanisam-bato tamin'ny fifidianana tao São Tomé e Príncipe amin'ny ahiahy fisian'ny hosoka tamin'izany. Amin'izao ankatoky ny fihodinana faharoa izao dia nisy ny fihetsiketsehana an-dalambe mitaky ny fanafoanana ny fifidianana.
Takian'ny Ogandey ho ny Sekoly no Avotan'ny Governemanta fa Tsy ny Mpanankarena
Fanomezana ho an'olombitsy ny tombombarotra sy fizarazarana ho an'ny fiaraha-monina ny fatiantoka. Tsy maintsy mandoa ny tsy fahombiazan'orinasa ve isika rehetra raha tsy mba nizara ny tombombarotra azony ry zareo?