Tantara mikasika ny Politika tamin'ny Jolay, 2016
#ShutDownZim: Hiteraka Fananganana ‘Rindrin'Afo Lehibe’ Ve ny Fihetsiketsehana Ao Amin'ny Media Sosialy Ao Zimbaboe?
Tsy vao voalohany i Zimbaboe no nikarakara "fikatonana" noho ny tsy fahombiazan'ny governemanta, saingy sambany kosa ireo antoko politika sy fikambanana sivily no nanao fihetsiketsehana amin'ny fampiasana media sosialy. Saingy mety hiteraka sivana ny fihetsiketsehana
Niteraka ny #M7Challenge Tao Amin'ny Twitter Ny Filoha Ongandey Miresaka Amin'ny Finday Eny Amoron-dalana
"mino aho fa fomba tsara ny manajanona ny FANORATANA HAFATRA/ANTSO AN-TARIBY REHEFA MITONDRA FIARA"
Manana Hira Famantarana ‘Doo Doo Doo Doo’ Ny Fialan'i David Cameron Tsy Ho Praiministra Britanika
Nanome aingam-panahy tamin'ny fiangaliana mozika, hatsikana ary fanehoan-kevitra maro ny melodian'i Cameron voarakitra tao amin'ny fandraisam-peony rehefa avy nanambara ny fialany izy.
Nanendry ny Vadiny, sy Ireo Mpitarika Mpanohitra Ho Amin'ny Toerana Ambony Ny Filoha Ogandey
"Mitandrema fotsiny amin'ny firodanan'ny fanabeazana tanteraka ao Oganda. Tsy manana fitondra-tena tsara ity vehivavy ity."
Miantso An'i Shina Mba Hanao #Chexit Ao Amin'ny Ranomasina Shina Atsimo Ny Filipiana
"Ara-dalàna, ara-politika sy ara-tantaranay ny Ranomasina Filipina Andrefana. Ny helo miaraka amin'ny eritreritr'i Shina, tsipika an-dalana 9, #CHexit izao!!"
Nahazo Fanohanana Tamin'ny Aterineto Ny Lehiben'ny Minisitra Ao Myanmar Noho Ny Fihantsiana Nataony Tamin'ny Vondrona Radikaly Bodista
Nampiasaina tao amin'ny Facebook ny tenirohy #NoMaBaTha izay anisan'ny fanentanana miaro ny lehiben'ny minisitra manoloana ireo mpanohana antserasera ny vondrona ifotony bodista ao Myanmar
Mamolavola Drafitra Hahatonga An'i Museveni Ho Filoham-pirenena Mandrakizay Ireo Mpanao Lalàna Ogandey
"Fahavalon'ny fandrosoana ireo solombavambahoaka manolo-kevitra hanala ny fetran-taona ho an'ny filoham-pirenana ireo. Maninona raha ny fetran'ny fahafatesana no hoesorina ka afaka mivelona mandrakizay ny mpitondra azy ireo?"
Olona An-Jatony Namonjy Diabe Tao Kambodza Ora Vitsy Taorian'ny Nitifirana Ilay Mpitsikeran’ Ny Governemanta
"When regime wanted to kill, labels them [conspirators] not loyal to the regime. Then they kill them." "Rehefa te hamono ny fitondrana, dia antsoiny hoe [mpiray tetika] tsy mahatoky ny fitondrana izy ireny. Ary avy eo vonoiny. "
Tsy Manaiky Resy Tsy Miady Amin'ny Fepetram-Pitsitsiana Henjana Napetrak'i Etazonia Ireo Pôrto Rikana
Nidina an-dalambe ireo Pôrto Rikana sy ny media sosialy hanao hetsi-panoherana noho ny fanaovan-tsonia ho lalàna manan-kery ny PROMESA vao haingana izay mametraka ny kabinetra federaly mpanara-mason' ny hetra .
Mamolavola Indray ny Fikatrohana Ara-politika Ao Zimbaboe Ve Ny Fanentanana Antserasera #ThisFlag (Ity Sainam-pirenena ity)?
"Raha mijanona ho sehatra fanehoana hatezerana fotsiny ihany ny fanentanana #ThisFlag, dia aleo ho izay. Azo ekena ihany koa izany. "