Tantara mikasika ny Politika tamin'ny Mey, 2016
“Mitsikilo Ny Olom-pireneny” Ny Mpitondra Mozambikana, Araka Ny @Verdade
Ny lehiben'ny tafika no nisahana ny fanaraha-maso ny serasera teo anelanelan'ny 2012 sy 2014, ary ny Shinoa ZTE Corporation no nametraka ny rafitra. Voalaza fa nanomboka tamin'ny 2013 ny fihainoana ny fifandraisan'ireo olom-pirenena.
Voaheloka Dimy Taona Sy Efa-Bolana An-tranomaizina Ilay Ethiopiana Bilaogera Sady Mpikatroka
Nampifandray ny fampiasana ny fiarovana nomerika sy ny fampihorohoroana ny mpampanoa lalànan'ny fanjakana ao Ethiopia. Mitovy hevitra azy amin'izany ny mpitsara ao antoerana.
Exit Davutoglu: Voahilika Ny PM Tiorka, Mihamafy Ny Tahotra Momba Ny Hoavy
Lasa ny iray tamin'ireo sisa mpiambina tavela hanara-maso ny fahefan'ny Filoha Recep Tayyip Erdogan
Sahiran-tsaina Momba Ny Adin'ny Mapuche Ao Shily? Afaka Manampy Anao Ity Sarimiaina Ity
"Samihafa ny lalan'ny vahoaka Mapuche. Saingy mahafantatra tsara ny maha-Mapuche tafaray tamin'ny faniriana ho an'ny rariny, fankasitrahana, ny fanajana, ny fitovian-jo sy ny hasina ny rehetra."
Andianà Mpikatroka Miady Amin'ny Kolikoly Voatafika Tao Rosia . Te-hividy Tapakila Handraisana Fiaramanidina ve?
Lohatenim-baovao voalohany ho an'ny media sosialy Rosiana maro androany ny vaovao momba ny fanafihana iray nanjo ireo mpikatroka mafàna fo, ary nohararaotin'ny orinasa mpikarakara fivahinianana, Aviasales, hakàna tombony ilay tantara
Ogandà: Tsy Ho Alefa Amin'ny Fahitalavitra Ilay Fanentanana Fihantsian'ny Mpanohitra
"Mahamay ny taorian'ny #AndroManerantanyHoAnyFahalalanGazety. Tonga ny VazivazyMediaOgandà. Maneso"
Nandritra Ilay Famoretana Feno Rà Nandriaka, Nampiasa Bala Tena Izy Ny Polisy Hoy ireo Gambiana Mpanao Hetsipanoherana
Ampahany amin'ny hetsika tsy mbola nisy toa azy tao Gambia hitakiana ny fanavoazana ny fifidianana sy ny fialàn'ny filoha Yahya Jammeh ireo hetsi-panoherana nitranga.
Gidragidra Tamin'ny Marathon'i Skopje Ilazàn'ny Mpikatroka Manohitra Ny Tsimatimanota Fa Santionan'ny Herisetran'ny Governemanta Ireny
"Tsy dia nisy fiantraikany lehibe, saingy miharihary fa mihevitra ny fampiasan-kery ho fitaovam-piadiana azo ampiasaina ny fitondrana"
Nipoitra Avy Amin'ny Tantaram-Pahoriana Tao Tajikistan Ny Fanantenana
Nahilikilika teo amin'ny fiarahamonina ary latsaka tanaty fahantrana i Dilbar Gurgova rehefa voatazona sy voarohirohy tamin'ny ekstremisma ny vadiny. Nanampy azy haingana ny mpiray tanindrazana ao Rosia.
Didian'ny Fitsaràna Ao Afrika Atsimo Hamerina Ny Volam-bahoaka Ny Filoha Zuma
Namoahan'ny Fitsaràn'ny Lalàm-panorenana ao Afrika Atsimo didy fa hoe nanitsakitsaka Lalàm-panorenana ny Filoha Jacob Zuma rehefa nandà ny tsy hamerina ny volam-bahoaka araka ny fangatahan'ny mpiahy ny vahoaka ao amin'ny firenena