Tantara mikasika ny Politika tamin'ny Avrily, 2016
Saripika: Naparitaky Ny Polisy Ao Filipina Ireo Tantsaha Manao Fihetsiketsehana Mangata-Bary
Nalaza tao Filipina ny diezy #BigasHindiBala (Vary fa tsy bala) rehefa naparitaka an-kerisetra ireo tantsaha nanao fihetsiketsehana nangata-tsakafo tany amin'ny governemanta.
Miorina Amin'ny Fanantenana ny Zotra Mankany Amin'ny Zon'ireo vehivavy Afghana, Na Dia Mampidi-doza Aza
Manomboka amin'ny ekipa mpivoy bisikileta ka hatrany amin'ireo mpilatsaka an-tsitrapo misahana ireo lehilahy mpiankin-doha amin'ny zava-mahadomelina, manamboatra anjara asa anatinà firenena potiky ny ady sy ny tsy fandriampahalemana ireo vehivavy Afghana.
Shinoa Mpanao Sivana Mamafa Ny Porofo #PanamaPapers Ao Amin'ny Vohikala
Ny antontan-taratasy niparitaka dia ahitana orinasa an-dranomasina manana fifandraisana amin'ny fianakavian'ny mpitondra ambony ao Shina, Xi Jinping, izay efa nivoady ny hiady amin'ny "miaramilan' ny kolikoly". Ny ankamaroan'ny Shinoa kosa dia tsy naheno akory ny momba izany.
Taorian'ny Varadatsaka Avy Amin'ny Panama Papers, Mihomehy i Amerika-Latina Mba Tsy Hitomaniana
Miezaka manome dikany amin'izay fomba tsara indrindra fantatr'izy ireo ho an'ireo fiporitsahana tamin'ny Taratasin'i Panama ireo vahoakan'i Amerika-Latina: amin'ny alalan'ny vazivazy.
Torolalana Hahatakaranao Ny Fizotran'ny Krizy Politika Ao Brezila
Misangodingodina haingana ny zava-mitranga any Brezila tanatin'ny iray volana mahery izay, ary miova haingana dia haingana ny toe-draharaha ka raha tsy miserasera kely ianao dia mety ho tsy fantatrao akory ny vaovao mipoaka farany indrindra.
Ao Kenya, Tafajanona ao amin'ny YouTube Ny Rakikira Manandratra Fitiavan-Dahy Amin'ny Lahy na Vavy Amin'ny Vavy
Nandrara ny lahatsary ny Kenya Film Classification Board (Birao Mpanasokajy Filma Kenyana) tamin'ny fandresen-dahatra fa "tsy mifanaraka amin'ny maoralin'ny firenena io."
Ben'ny Tanàna Ao Belgrady, Manohana Ny Lehiben'ny Polisy Manembantsembana Ny Asan'ny Mpanao Gazety
Nolavin'i Mali, ben'ny tanànan'i Belgrady ny hanatanteraka ny fitakian'ny Mpanelanelana handroahana ny lehiben'ny polisy kaominaly, izay nanembantsembana ny asan'ny mpanao gazety.
Tandremo ry Zanakavavin'Ilay Mpanao Didy Jadona Tao Però, Tsy Mila Anao Hilatsaka Ho Filoha Ireo Mpanao Fihetsiketsehana
Ts isalasalana ny fitarihan-dalan'i Keiko Fujimori amin'ireo propagandy isan-karazany, saingy manomboka miova ny zavatra rehefa niverina tao amin'ny tsiaron'ny Peroviana ny fitondrana didiko fe lehibe nataon-drainy.
Zavatra 7 Tamin'ny Fifaninanana Grand Prix Formula One Tao Bahrain Tokony Ho Fantatrao
Nampiantrano ny fifaninanana fanamoriana fiarakodia Grand Prix Formula One i Bahrain androany. Ireto sary sasany tamin'ny fifaninanana nalefan'ireo tompon-daka momba ny zava-niainany tao amin'ny firenena
Niditra Tao Amin'ny Media Sosialy Hisian'ny Fanohanana Manerantany Ny Hetsika ‘Afaho i Papoazia Andrefana’
Mandrisika ny mpiserasera mba haneho fanohanana ny tolon'i Papoazia Andrefana amin'ny alalan'ny fandefasana sary #LetWestPapuaVote ao amin'ny media sosialy ny hetsika.