Tantara mikasika ny Politika tamin'ny Marsa, 2016
Mpirotsaka An-tsitrapo Manao Vonjy Voina Rehefa Loza Voajanahary, Mikolokolo Finamànana Eo Amin'ny Taiwanais Sy Japoney
" Nanampy anay ianareo, ary tsy namanareo akory aza izahay, noho izany dia mazava loatra fa tonga izahay hanampy. Ho mpinamana tsy mifankafoy i Japàna sy Taiwan manomboka izao."
Tsy Handefa Mivantana Ny Fizaran-Dokan'ny Filma Avy Ao Hong Kong i Shina Noho Ilay Sarimihetsika Mangidy Fijery Mitondra Ny Lohateny Hoe ‘Folo Taona’
" Inona no tena mampatahotra amin'ilay filma? Nandoko eritreritra sy fomba fijery isankarazany ilay filma; mety ho teboka fiaingana hifandraisana sy hifankahazoana io.."
Tian'ireo Media Ao Shina Raha Mba Tianao Toy Ny Itiavanao Ny Ankohonanao Ny Fanjakàna
"...noho ny fitiavanao ny rainao, azonao tapahana ny fifandraisanao amin'ny amperora, saingy tsy azonao tapahana ny fifandraisanao amin'ny rainao noho ny fitiavanao ny amperora. Mahatsikaiky tanteraka ilay fomba filaza hoe "fanehoana fankatoavana ny loharano niandohana manoloana ny fanjakana."
Lahatsary Vaovao Anantenana Ny Hamoram-Panahin'ny Thailandey Hanampy Ny Mpitsoa-ponenana Myanmar
"Tsy afaka manova ny zava-niainan'izy ireo taloha isika, saingy miaraka amin'ny Namjai-nao, dia afaka manampy azy ireo mba hanorina hoavy tsara kokoa isika."
Jereo Ny Akanjo Nanaovan'ireo Solontena Tibetana Tamin'ireo Fivorian'ny Kongresy Roa Tany Shina Tamin'ity Taona Ity
Tamin'ny kaoferansy amin'ity taona ity, niompana tamin'ireo pins misy ny sarin'ny Filoha Shinoa Xi Jinping izay miseho eny an-tratran'ireo solontena Tibetana, ireo mpisera amin'ny Aterineto.
Fandikàna Iray Isaky Ny Mandeha, Tian'ity Mpanoratra Sady Mpiakatroka Ity Havotana Ny Fahalalàn'ny Tandrefana An'i Rosia
Amin'ny alàlan'ny bilaoginy, ezahan'ilay mpandika lahatsoratra, Thomas Campbell, ny hanentsina ny banga. Ny herinandro talohan'ny 18 Febroary, nitsidika ny Anjerimanontolon'i New York i Campbell, ka tany no namaritany ny zavatra niainany tamin'ny fitantanana ny tranonkalany sy ny fanarahana maso ny tontolon'ny bilaogy Rosiana.
Nisy Namono Tao Honduras i Berta Cáceres Mpikatroky Ny Zon'Olombelona Sy Mpitarika Teratany
Taona maro nitolomana hiarovana ny tontolo iainana sy ny vondrom-piarahamonina teratany no namonoana ilay tompondakan'ny zon'olombelona Berta Caceres tao Honduras tamin'ny 3 marsa.
Takian'ny Makedoniana Mpanao Hetsi-panoherana Ny Hialan'Ireo Mpitsara Avo Momba ny Lalàmpanorenana “Voaloto”
"Mamono ny Demaokrasia amin'ny fotony ny famotsoran-keloka ho an'ny hoso-pifidianana! Mandra-pahoviana no hanafoanany tanteraka ny tenany?"
Manana Antony Hatahorany Ny Amin'ny Asany Ilay Endrika Famantarana Ny Fanoherana Japoney
"...mieritreritra aho fa hevitra tena tsara ny mitondra azy ao amin'ny Hello Work (Arabaina ny Asa) [tambajotran'ireo ivontoerana fitadiavana asa an'ny governemanta Japoney], mampiofana sy manova kely azy ary mampiditra azy amin'ny toerampiasàna vaovao."
Fenoin'ireo Hongkongey Voahilikilika Amin'ny Emoji Vaovao “Tezitra” Ny Pejy Facebookn'ny Lehiben'ny Mpanatanteraka
Maneho ny heviny amin'ny lehiben'ny mpanatanteraka ny mponin'i Hongkong noho ny fisian'ny marika "Fanehoan-kevitra" vaovao ao amin'ny Facebook, izay manome fahalalaham-pitenena ho azy ireo ka nanehoany ny tsy fankasitrahana ny governemanta.