Tantara mikasika ny Politika tamin'ny Novambra, 2015
Fitakiana Fanesorana Ny Filohan'ny Antenimiera Ao New Zealand Noho Ny Resaka Sotasota Ara-nofo Manàla Baràka
"Mora ny tsy manisy vidiny ny fanolànana, fa in-jato sarotra kokoa ny miroso hatrany #SackTheSpeaker #HoldKeyAccountable"
Nanao Ahoana i Myanmar Tamin'ny Androm-pifidianana Manan-tantara
"Mizara sary am-pireharehana misy ny rantsa-tanany nasiana ranomainty ireo namako Birmana izay avy nifidy - porofo fa nandatsa-bato izy ireo. Mety hilaza ianao fa manopa ny fitondrana teo aloha ny mponina Birmana amin'izao fotoana!"
Ireo Vehivavy Sisa Tsy Maty Miresaka Mikasika Ny Famonoana Faobe Tao Indonezia Ny Taona 1965
"Nolazaina aho fa hoentina mba halaina ambavany. Raha ny tena fandehany, hogadraina mandritra ny 14 taona aho. Nanomboka ny taona 1965 ka hatramin'ny volana Desambra 1979. Tsy mbola nahazo ny rariny mihitsy izahay."
Any Okinawa Ka Hatrany Amin'ny Firenena Mikambana, Mbola Mitohy Hatrany Ny Hetsika Manohitra Ny Toby Miaramila Amerikana
Nankany amin'ny Firenena Mikambana ny Governoran'i Okinawa, Takeshi Onaga, mba hitatitra ireo fanitsakitsahana zon'olombelona lazainy fa nataon'ny governemanta Japoney sy Amerikana.
Iza No Hiaro Ireo Mpisolovava Voafonja Ao Tajikistan?
Naiditra am-ponja nanaraka ny dian'ireo olo-malazan'ny fanoherana tra-pahasahiranna ao amin'ilay firenena ao Azia Afovoany ireo mpisolovava niomana hiaro azy ireny.
Mpitarika ny Al-Qaeda Mba Miresaka Mikasika Ny “Lohataona Silamo” Ao Anatin'ireo Andian-dahateny Ao Amin'ny Media Sosialy
Hametraka ireo andian-dahateny mikasika ny Lohataona Silamo ao amin'ny media sosialy ilay atidohan'ny asa fampihorohoroana sady mpitarika ny Al Qaeda, Ayman Al Zawahiri, hoy ireo tatitra.
‘Ahoana no Inoantsika Hoe Tsy Anjarantsika Rahampitso?': Fahafahambaràka Amin'ny Fitorahana Ilay Tovovavy Afghana 19 Taona‘
"Rehefa mahita ny lahatsary fitoraham-bato an'i #Rokhshana ianao, mankahala tena amin'ny maha lehilahy anao ianao, mankahala tena amin'ny maha olona anao ianao."
Mamokatra Ny Adin'i India Amin'ny Tsy Fanjarian-tsakafo Manjo Ny Ankizy
Fanjakana maro ao India no miady manohitra ny tsy fanjarian-tsakafo, efa am-polo taona maro. Mampiseho fivoarana tsara sy fahombiazan'ireo fandaharanasa isankarazany ny tarehimarika ofisialy, saingy mbola betsaka ihany ny tokony hatao.
Artista Rosiana Mpanao Fampisehoana, Notànana Noho Ny Nandrehetany Ny Foiben'ny Sampana Fiarovana Federaly
Pavlensky, fantatra amin'ny kanto manaitra ary indraindray kanto vita tsara fa manafintohina, nilaza fa hetsika iray entina mampiseho ny "fomba feno fandrahonana tsy miato" ataon'ny FSB amin'ireo olon-tsotra, ny fandoroana ireo varavarana.
Mpanao Sariitatra ao Myanmar Manakaiky Ny Vahoaka
"Maro no milaza fa ireo mpanao sariitatra na ireo mpanao gazety dia tsy tokony hitanila, fa tsy maintsy ho tsy miandany. Diso izany. Tsy maintsy manana fitongilanana izy ireo. Tsy maintsy. Amin'ny hoe fitongilanana, tsy hoe fitsarana an-tendrony no lazaiko."