Tantara mikasika ny Politika tamin'ny Febroary, 2015
Mpanao Hatsikana ao Espaina Miatrika Fiampiangana Ho “Manandratra” Fampihorohoroana
Ny ampitson'ny fanafihana ny gazetiboky mpanesoeso Charlie Hebdo tao Frantsa, nampiantso ilay mpanesoeso Facu Díaz ny fitsarana Espaniola mba hanadihady azy momba ny tantara mananihany navoakany tamin'ny fampisehoana tamin'ny fahitalavitra antseraserany.
Midika Inona Moa Izany Ny Maha-Olom-pirenena Japoney Taorian'ilay Famonoana Nataon'ny ISIS?
"Namporisihako izy hanatanteraka ny "harakiri". Raha izaho no reniny, dia izay no nataoko — tiako raha mba lasa maherifo ny zanako lahy."
Omen'ny Fitondra-Miaramila Thailandey ‘Fanitsiana Fomba Fihetsika’ Ireo Mahasahy Hivoaka ny Laharana
Ampanantsoin'ny Fitondra-Miaramila ireo olona heveriny ho mpanohitra na ireo mila "fanitsiana fomba fihetsika" noho ny fananany fomba fijery hafa.
Gazety Iraniana Nakatona Noho Ny Pejy Voalohany Manasongadina Ny ‘Charlie Aho’ Ahitàna An'i George Clooney
Mipitika havia havanana ny gazety Iraniana, eo anelanelan'ny fanamelohana ilay herisetra tao Parisy sy ny fanenjehana ny manampahefana ary ry zareo samy zareo, noho ny fanehoankevitra nasetry ireo fanafihana.
Manampahaizana Momba Ny Politika Etazonia-Kiobà: Miresaka Ny “Fahasamihafàna Lalina” Eo Amin'ny Zon'Olombelona
Ilaina ampidirina amin'ny adihevitra momba ny zon'olombelona ao Kiobà ny famerenany mandinika lalina ny drafitra demaokrasia ao amin'ity firenena ity.
Sazian'ny Governemanta Makedoniana Ny Fakàna Sary Fihetsiketsehana Amin'ny Drôna
Nanampy tamin'ny fampisehoana ny haben'ny hetsika goavan'ny mpianatra vao haingana ny sary sy lahatsary nalaina tamin'ny drôna, fihetsiketsehana lazaina ho goavana indrindra tao Makedonia hatramin'ny fahaleovantena.
Nikatso ny Aterineto Tao RDC Nandritra ny Fihetsiketseha-Panoherana an'i Kabila, 36 no Maty
Nahery vaika ny fifandonana teo amin'ny polisy sy ny mpanao fihetsiketsehana manohitra ny fanitsiana ny lalam-pifidianana nataon'i Kabila izay niafara tamin'ny fahafatesan'olona 36 tao amin'ny Repoblika Demaokratikan'i Kongo tao anatin'izay andro vitsivitsy izay.
Papoazia Andrefana: Mitaky Fitsaràna Taorian'ny Namonoan'ny Polisy Indoneziana Ny Tanora Mpanao Hetsi-panoherana
"Endrika ahafantarana ny fanitsakitsahana tsy ahoan-tsy ahoana ny zon'olombelona fanaon'ny mpitandro filaminana ao Papoazia ny fitifirana."
Miaiky i Filipina Fa Nitondra Ireo Fianakaviana Tsy Manan-kialofana Ho Any Aminà Toeram-pisindàna Mahafinaritra Nandritry Ny Fitsidihan'ny Papa François
Saingy nanindry ny governemanta fa mba nifanandrify fotsiny tamin'ny fitsidihan'ny papa ny fanofanana nampanaoviny ho an'ireo fianakaviana tsy manan-kialofana.
Afenin'i Filipina Amin'i Papa Fransoà Ny Olana Ara-Tsosialy Ao Aminy
Anisan'ireo nosakanan'ny manampahefana tsy hijery an'i Papa François nandritra ny fitsidihany tao Filipina ireo mpikatroka, ankizy mpirenireny an-dalambe sy mponina mahantra.