Tantara mikasika ny Politika tamin'ny Mey, 2014
Novazivazin'ny Zimbaboeana Tao Amin'ny Twitter Ny Lehiben'ny Mpanohitra Nahantona Tamin'ny Toerany
Inona ny lohateny tsara indrindra amin'izay mety ho boky momba ilay mpitarika ny Hetsika ho amin'ny Fanovana Demaokratika ao Zimbabwe, Morgan Tsvangirai? Manana hevitra vitsivitsy ny mpisera Twitter.
Ny Federalisma Ve No Vahaolan'ny Krizim-Panondroana An'i Atsimo-Atsinanan'i Okraina?
Mampihomehy moa fa mizara flyers any Donetsk ny mpikatroka pro-Okrainiana handrisika ny olona hiantso referendum mba hiaraka amin'ny faritra Dnepropetrovsk.
India : Namono Olona 32 Ny Separatista, Mandositra Ny Miozolomana
Nipoaka tao amin'ny firenena Indiana avaratra-atsinanana ao Assam ny herisetra ara-poko, ka mponina Miozolomana 32 tao an-tanàna no namoy ny ainy ary nitarika ny fiàlan'ireo miozolomana tao amin'ny faritra izany.
GV Face: Fihetsiketsehana Tanamasoandro Ao Taiwan
Amin'ny GV Face androany, hiresaka amin'i I-Fan Lin, mpanoratra ao amin'ny Global Voices Taiwan sy i Portnoy Zheng, mpiara-mpanitsy lahatsoratra ao amin'ny Global Voices amin'ny teny Shinoa isika mikasika ny fihevitry ny ao an-toerana ny fihetsiketsehana ao Taiwan.
Mihalalina ny Krizy Politika, Hanatontosa Fifidianana Iray Indray i Thailand Amin'ny Jolay
Noho ny tsy fetezan'ny fifidianana tamin'ny febroary ho famahana ny krizy politika ao Thailand, notondroina hanatontosana ny fifidianana vaovao ny 20 Jolay. Fa mbola hidongy tsy handray anjara ve ny mpanohitra?
Tsy Faly Amin'ny Antoko “Bharatya Janata” Ao India Ry Zareo Bangladeshis
Niteny i Subramanian Swamy fa tokony hanome ny ampahatelon'ny taniny ho onitra ho an'i India i Bangladesh noho ireo mpifindra monina tsy manana taratasy avy any amin-dry zareo. Ho valy bontana dia tranokala 300 an'ny governamanta Indiana no nojirihan'y vondrona Bangladeshi mpijirika.
Kolombià: Miverina Ho Ben'ny Tanànan'i Bogotá i Gustavo Petro
Namoaka didy namerina ho amin'ny toerany ny Ben'ny tanànana ao Bogotà ny Fitsarana Ambony ao Bogotà . Nipoitra avy hatrany ny fanohanana sy ny tsikera.
Fikambanana Rosiana Mpanao Asa Soa: Miatrika Olana Araka Ny Lalàna Noho Ny fanampiana Nataon'ny Rosiana ny Lahatsoratra Iray Tao Amin'ny Facebook
Nanao tatitra [ru] i Romanenko fa nitory azy ny governoran'i Vologodsk niaraka tamin'ny biraon'ny mpampanoa lalàna ao an-toerana noho ny lahatsoratra miharo vazivazy nosoratany.
Fipoahana Tao Amin'ny Garan-Dalamby, Nahafaty Olona 3 Sy Naharatrana Ampolony Tao Shina
Mampisongadina ny fanamby miandry amin'ny fiarovana sy ny fifanenjanana ara-poko miotrika ao amin'ny faritany manakarena ara-akora ny fanafihana.
Tsy i Igor Sechin Tsy i Dick Cheney: Ny Fiafaran'ny Tantaran'ilay “Zuckerberg Rosiana”
Tantaran'ny any Eoropa Atsinanana izay mety ho tsy fandrentsika loatra nefa raha Tandrefana ilay olona, dia efa be no nahalala azy ity!