Tantara mikasika ny Politika tamin'ny Aogositra, 2013
Miasa Hanova Ny Lalànan'ny Fitsapa-Kevi-Bahoaka ‘Tsy Ara-dRariny’ Ny Mpanohitra Ny Nokleary
Manome vahana izay vitsy an'isa manao ankivy ny fandrotsaham-bato ny lalàna momba ny referandaoma ao Taiwan, izay mitaky ny fandraisana anjaran'ny 50 isan-jaton'ny mpifidy voasoratra anarana.
#FreeSafy – Bilaogera Nosamborina Vao Maraimbe Tao Bahrain
Nosamborina vao maraimbe ilay bilaogera Bahrainita Mohammed Hassan. Noraofin'ny polisy ny findainy sy ny solosainy. Miantso ho amin'ny famotsorana azy ny mpiserasera.
Lehilahy Nitoraka Baomba Ny Seranam-Piaramanidin'i Beijing: Mpampihorohoro sa Niharam-boina ?
Nanapoahan'ny lehilahy iray baomba, lehilahy mandeha amin'ny seza natokana ho an'ny malemy, izay milaza fa kilemaina noho ny kapoka nataon'ny mpitandro filaminana azy tamin'ny 2005, ny seranam-piaramanidin'i Beijing.
Tonizia: Miaramila Valo Tratran'ny Kendritohina Maty, Mitohy ny Gidragidra Politika
Mitohy ny gidragidra politika ao Tonizia taorian'ny vela-pandrika nahazo ny miaramila ka nahafatesana 8 tamin'izy ireo tany Chaambi. Andro vitsivitsy monja taorian'ny namonoan'olona mitam-piadiana nandeha soavalivy ny depioten'ny mpanohitra Mohamed Brahmi no nitrangan'ity raharaha ity.
Alemaina: Hetsi-Panoherana Fanaraha-maso Fomba “Big Brother”
#StopWatchingUs no teny ifampifehezan'ny mpanao fihetsiketsehana tamin'ny Asabotsy 27 jolay tao Alemaina. Manohitra ny fanaraha-maso ataon'ny sampam-pitsikilovana sy ny tsy fihetsehan'ny governemanta ny mpanao fihetsiketsehana.