Tantara mikasika ny Politika tamin'ny Jolay, 2013
Manapaka samirery ny datim-pifidianana any Zimbaboe ny Filoha Mugabe
Tsy niraharaha ireo fanoheran'ny mpiara-mitantana sy olom-pirenena Zimbaboeana ny Filoha Robert Mugabe, ary nanao fanambarana avy aminy irery fa ny 31 Jolay 2013 no hanatanterahana ireo fifidianana.
Fandavana Tsy Hitondra Fanjakana Intsony: Taorian'i Pays-bàs Sy Belzika, Ho i Espaina Ve Ny Manaraka?
Ny fialan'ireo mpanjaka Eropeana roa tanatin'ny volana vitsy monja dia nahatonga ny vahoaka Espaniola haminavina ny mety hialàn'ny mpanjaka Juan Carlos ho an'ny zanany lahy Felipe. Etsy an-daniny, ny vahoaka Belza kosa miomana handray mpanjaka vaovao izay olom-bitsy ihany no matoky azy.
Tonizia: FEMEN Mpitolona nitazona fitaovam-piadina tsy nahazoan-dalana

Nantsoina hiatrika fitsarana noho ny fiampangana tamin'ny fitazonana fitsifitra ranona dipoavatra ilay mpikatroka FEMEN Toniziana, fantatra amin'ny solon'anarana hoe Amina Tyler, 19 taona, amin'ny 30 mey ho avy izao. Hita...
Iran: Hahavoha Ny Varavarana Rehetra Ve Ny Lakilen'ny Filoha Vaovao?
Lakile no natao sariohatry (symbole) ny fampeielzan-kevitry ny filoha voafidy Hassan Rouhani. Ankehitriny kosa eo ampiadiana hevitra ny mpiserasera Iraniana raha mahasokatra hidim-baravarana tokoa i Rouhani.
Fifidianana Ao Kambodza: Latsa-Bato Ao Amin'ny Facebook
Mampiasa Facebook am-pahavitrihana ireo mpiserasera Kambojiana mba hiresahana, hiadian-kevitra sy hizara vaovao momba ny fifidianana solombavambahoaka atao amin'ny 28 Jolay. Mandritra izany, mampitombo ny fisiany ao amin'ny tambajotra sosialy malaza...
Notsipahin'ny «E-Kristianina» Ilay Ambasadera Amerikana Vaovao Ho An'i Espaina Satria Pelaka
Nivoaka ny anaran'ny ambasadera Amerikana ao Espaina: James Costos. Toetra sy endrika telo no ahafantarana ity ambasadera vaovao, manana diplaoma momba ny siansa politika ity: tompon'andraikitra ambony ao amin'ny orinasa...
St. Kitts & Nevis: Fisamborana Mampihenjana Ny Toe-Draharaha Politika
Mitohy ny Fihenjanana ara-politika ao St. Kitts [mg] taorian'ny fampisamborana ny lehiben'ny People's Action Movement teo aloha Lindsay Grant nandritra ny fihetsiketseha-panoherana notontosaina tamin'ny zoma.
Avoakan'ny Anonymous Ireo Kaontin'ny Antoko Mitondra Ao Espaina
Fikambanan'ireo 'hactivistes' manerantany ny Anonymous izay namoaka ny kaontim-bola nandritra ny taona 1990-2011 an'ny Partido Popular (PP)[People's Party], antoko ao amin'ny fitondrana.
Al Jazeera Voampanga Ho Mitati-Baovao “Mitongilana” Ao Ejipta
Nifantohan'ny maso ny Al Jazeera tao Ejipta amin'izay lazain'ny maro fa fitantarana "mitongilana" nataony nandritra sy taorian'ny fanonganana ny filoha ejipsiana teo aloha Mohamed Morsi tamin'ny 4 jolay. Voampanga ho nifamato-dra tamin'ny Mpirahalahy Miozolomana ka nanao ho mpitondrateniny ity fantsona miorina ao Qatar ity.
Ilay Vavy Antitra sy ny Ovy: Niparitaka ny Tantaran'ny Fahantran'i Ukraine
Olena Danko, mpanao gazety dia nanoratra lahatsoratra fohy momba ny fifanenany tamina vavy antitra iray tany an-tsena izay tsy nanana afatsy vola kely mba hividianana singan'ovy tokana. Tantara mampalahelo hahalalana an'i Ukraine izany, izay tsy mahagaga intsony ny olona izay efa nonina tany amin'ny firenena na dia nandritra ny fotoana fohy aza. Saingy tanaty ora vitsy monja dia efa niparitaka...