Tantara mikasika ny Politika tamin'ny Avrily, 2013
Nampametra-panontaniana Ny Fitokonana Tsy Hihinan-kanina Nataon'ny Mpitoraka Milaogy Iray Teratany Iranianina
Fa raha toa ka nampitandrina ny mpitoraka bilaogy sasany fa tandindonin-doza ny ain'i Mehdi Khazali taorian'ny nanaovany fitokonana tsy hihinan-kanina nandritry ny 90 andro mahery, dia teo kosa ireo izay manontany tena hoe tena marina tokoa ve ny fisian'izany fitokonana tsy hihinan-kanina izany.
Bodista Manontany Ireo Bodista Henjam-pihetsika
Maro amin'ireo Sinhla Buddhists no mijoro manohitra ilay herisetra vao haingana teo natao tamin'ireo Silamo sy ny fivavahana hafa, ary ireo lahateny feno fankahalana nataon'ny Bodu Bala Sena (hery Bouddhiste), fikambanana iray Sinhala-Buddhist mahery fihetsika miorina ao Colombo (Sri Lanka). Naparitaky ny mpitandro filaminana sy ireo bodista mahery fihetsika ny fiaretan-tory iray nitondràna labozia tao Colombo renivohitr'i Sri Lanka, nokarakarain'ny vondrona Faceboob 'Buddhists Questioning Bodu Bala Sena’.
Brezila : Miatrika Famaky Ny Hazo Tranainy
Nandrahona ny hihanika sy hipetraka eny ambonin'ireo hazo tranainy efa zato taona ny mponina ao Porto Alegre any atsimon'i Brezila mba hiarovana azy ireo tsy ho ravan'ny tetikasa fanitarana ho fanomanana ny fiadiana ny amboara eran-tany 2014.
Fifidianana Filohampirenena Madagasikara: ireo kandidà efa nirotsaka sahady
Tapaka fa amin'ny Alarobia faha-24 Jolay 2013 no hotanterahina ny fifidianana Filohampirenena any Madagasikara. Nisokatra ny Alatsinainy 8 Aprily hoan'ireo kandidà kosa ny fanaterana ireo antontan-taratasy firotsahan-kofidiana. Araka ny tatitra nataon'i JR ao amin'ny vohikala aoraha.com, ireo kandidà efa nirotsaka sahady dia: Tsy niandry ela fa kandidà telo avy hatrany no nirohotra nanatitra ireo antontan-taratasy firotsahan-kofidiana amin’ny fifidianana Filohampirenena tetsy amin’ny birao misy ilay Vaomiera manokana misahana ny raharaham-pifidianana tetsy Ambohidahy, omaly [ndlr. Alatsinainy 8 Aprily] […] Praiminisitra lefitra misahana ny Fampandrosoana sy ny fanajariana ny tany, Hajo Andrianainarivelo […] ny filohan’ny antoko Mts, Roland Ratsiraka […] ny mpitarika ny antoko Psdum, Lahiniriko Jean. Narahin’ireo...
Yemen: Hetsi-panoherana Ny Drôna Tany Etazonia
Nanatevin-daharana ireo diabe sy famoriam-bahoaka natao nanerana an'i Etazonia ireo Yemenita ho fanoherana ireo drôna mpihaza sy ny famonoana tsy mandalo fitsaràna.
Lesona Ho An'i Okraina Ny Fanatanjahantena Kroaty
Betsaka no tokony hianaran'i Okraina izay misy mponina 45 tapitrisa amin'i Kroasia, izay manana mponina mahery kelin'ny 4 tapitrisa raha resaka fikarakaràna hetsika ara-panatanjahantena ho an'ny ankizy no resahana.
Azia Atsimo-Atsinanana: Fihetseham-po Manoloana Ny Fahafatesan'i Margaret Thatcher
Ahitana fandinihana tsara momba ny ny sombiny amin'ireo fihetseham-po manerana an'i Azia Atsimo-Atsinanana mikasika ny fahafatesan'ny praiminisitra Britanika Margaret Thatcher. Namoy ny ainy tamin'ny 8 Aprily 2013 teo amin'ny faha-87 taonany i Thatcher noho ny AVC (fijanonan'ny fitempon'ny fo tampoka), vehivavy Britanika mpitarika voalohany sy vehivavy voalohany nitantana firenena lehibe matanjaka...
Nolavin'ny Fitsarana Avo Momba Ny Lalàm-panorenan'i Portiogaly Ireo Fepetra Fitsitsiana
Nolavin'ny [pt] Fitsarana Avo Momba ny Lalàm-panorenana ao Portiogaly ireo fepetra fitsitsiana noheverin'ny governemanta fa ilaina mba hameno ireo fepetrany mikasika ny lamina ho fanitsiana tetibola mitentina 78 miliara euro, izay mbola manokatra lavaka [amin'ny teny anglisy] eo amin'ny 1.3 miliara euro ao amin'ny tetibola 2013-n'i Portiogaly.
Filipina: Fanentanana “Arovy ny Helo-dranon'i Manila”
Vondrona maro ao Filipina no nanao fanangona-tsonia omena ny governemantan'ny tanànan'i Manila mba hitaky ny fanafoanana ny fifanekena hanongotra ny voary mandrakotra tany 148 hekitara ahitana nosy telo ao amin'ny helo-dranon'i Manila. Toerana malaza hijerena masoandro mody ny helo-dranon'i Manila. Nisy ny fanangona-tsonia an-tserasera natao hanasana ny olona hanohana ity fanentanana ity: Endrika miavaka ny masoandro mody...
Fahatsiarovana ny Fahafolo Taonan'ny Ady Tany Iraka
Tamin'ny herinandro lasa teo no nanamarihana ny fahafolo taona nanambaran'ny fitondrana George W. Bush ny ady tany Iraka, ampahany amin'ny ady ataony amin'ny asa fampihorohorona. Naneho ny heviny ny mpiserasera amin'ny aterineto any Amerika.