· Desambra, 2012

Tantara mikasika ny Politika tamin'ny Desambra, 2012

Niantso Ho Amin'ny Fitokonana Faobe Ny Mpianatra Hongroà

  19 Desambra 2012

Tamin'ny herinandro lasa, nanao fihetsiketsehana ny mpianatry ny lisea sy ny kolejy nanomboka ny Alatsinainy hatramin'ny Zoma. Tamin'ity herinandro ity, mbola mitaky hatrany ny tanora fa tokony hametraka fetr'isan'ireo mpianatra horaisina eny amin'ny oniversite amin'ny fomba mazava sy ara-drariny ny governemanta ary hanampy ireo tanora avy amin'ny tokantrano sahirana, sy manana...

Any Ejipta, Mbola Mangina ny Maro An'isa Mangina

Nandeha namonjy biraom-pifidianana hifidy ny lalampanorenana vaovao ny Ejipsiana, lalampanorenana natolotra sy notohanan'ny filoha Mohamed Morsi sy ny Antokon'ny Firahalahiana [mpirahalahy] Miozolomana Fahalalahana sy Rariny. Nasehon'ny fihodinana voalohany fa manohana ny lalampanorenana vaovao ny 57 isan-jaton'ny mpifidy eo ho eo, na dia eo aza ny ahiahin'ny fiarahamonim-pirenena sy ny fanoherana...

Fa Maninona no Tian'ny Olona ny Asam-Panjakana ao Shina?

  17 Desambra 2012

Nahatratra hatramin'ny 1,12 Tapitrisa ny Sinoa niatrika fanadinana hidirana ho mpiasam-panjakana, ny 25 Novambra 2012 teo, izany hoe nahitana fitomboana 150.000 noho ny tamin'ny taon-dasa, araka ny tatitry ny mpiasan'ny sampandraharaham-panjakana misahana ny asam-panjakana. Mpianatra amin'ny anjerimanontolo ny ankamaroan'ireo mpiadina, mifaninana amin'ny toerana voafetra ho 20.000 amin'ny asam-panjakana izy ireo. Mihoatra ny...

Manelingelina Ny Fahazotoana Politika An-tserasera Ny Lalam-Pifidianana

  17 Desambra 2012

Raha mianoka tanteraka ny fahalalahana amin'ny aterineto ny Japoney, dia miova kely izany toe-draharaha izany amin'ny fotoam-pifidianana. Ny Lalam-pifidianam-panjakana ao amin'ny firenena no mandrara ny ny kandidà ara-politika tsy hamoaka tahirin-kevitra na sary sy mandrara ny olo-tsotra hanohana olo-malaza ara-politika – izany hoe raha ampiharina ny lalàna dia mihatra amin'ny famahanam-bilaogy, fisiahana ary...

Thailand: Nahoana No Nandamoaka Ny Hetsi-panoheran'ny Pitak Siam

  14 Desambra 2012

Ny Pitak Siam (Arovy i Thailand), vondrona manohitra ny governemanta, dia nivoady ny hanetsika olona iray tapitrisa ho eny an-dalamben'i Bangkok tamin'ny 24 Novambra teo, saingy tsy nahavita namory afa-tsy 20.000. Samy nanoratra momba ilay tsy fahombiazan'ny Pitak Siam daholo ireo bilaogera, mpanao gazety sy ny eny amin'ny anjerimanontolo, ary ny fiantraka ara-politikan'ilay hetsi-panoherana.

Manampahefana Shinoa Tratra An-Tsary Nanao Firaisana Ara-Nofo Sy Ny Ady Amin'ny Kolikoly

  13 Desambra 2012

Ny ady amin'ny kolikoly no lasa fandaharan'asa fototra ho an'ny Antoko Komonista Shinoa hatramin'ny nanatanterahana ny Kongresy Nasionaly faha-18. Nampitandrina [zh] ny mpikambana kongresin'ny antoko komonista [CCP] shinoa rehetra nandritra ny fivoriana voalohan'ny Komity Foibe ny Sekretera Voalohan'ny CCP voafidy Xi Jinping fa raha mbola mitohy ny olana momba ny kolikoly...