· Febroary, 2012

Tantara mikasika ny Politika tamin'ny Febroary, 2012

Tontolo Arabo: Mandria am-piadanana Whitney Houston

Niara ory tamin'izao tontolo izao ny Arabo tamin'ny fahafatesan'ilay mpanankato tsara feo Whitney Houston, izay hita faty tao amin'ny trano fandraisam-bahiny nipetrahany tao Beverly Hilton Hotel, 48 taona izy izao namoy ny ainy izao. Nifandimby ny alahelo sy ny dona tamin'ny fanehoan-kevitra tao amin'ny valantserasera, tao ireo nanontany ny antony...

Sénégal : Ireo antom-pahatezerana

  13 Febroary 2012

Miaraka amin'ny vanim-potoana mafampàna mialoha ny fifidianana izay iainan'i Sénégal, dia atrehan-dry zareo Senegale koa izao ny fanaovana tsinontsinona ny demaokrasia ka mampanahy ny maro amin'ireo mpanaramaso herinandro vitsivitsy aty alohan'ny fifidianana. Ndeha hampahatsiahivintsika fa i Abdoulaye Wade dia lany ho filohan'ny firenena tamin'ny 2000 ary nanapa-kevitra izy fa mbola hirotsaka indray ho aminà fotoam-pitondràna fanintelony na dia voararan'ny lalam-panorenana aza izany. Marobe ireo Senegale manohitra ny hamelàna azy ho afaka mirotsaka.

Yemen: Miarahaba An'i Saleh Amin'ny Kiraro Ireo Yemenita Mpanohitra Any New York

Nanoraka kiraro nanandrify ny filoha Yemenita Ali Abdullah Saleh vao niala teo ireo Yemenita ao New York, izay lazain'izy ireo fa tokony hijoro manoloana ny Lapam-pitsarana Iraisam-pirenena natao ho an'ireo Mpamono olona (ICC) fa tsy tokony hijanona any amin'ny Trano Fandraisam-bahinin'ny Luxury Ritz Carlton any Manhattan. Mamintina ny fihetseham-pon'ireo Yemenita amin'ny nipetrahan'i Saleh tany New York ny Noon Arabia.

Oganda: Adihevitra Taorian'ny Fanambarana Nataon'ny Filoha Mikasika ny Solitany

  12 Febroary 2012

Niatrika ny parlemanta ny filohan'i Oganda Yoweeri Kaguta Museveni tamin'ny 10 Febroary 2012 mba hanome vaovao ho an'ny firenena mikasika ny tsy fahampian'ny herinaratra sy ny fitrandrahana solitany ao amin'ny  renirano Albert. Museveni nanambara fa tamin'ny taona 2006  no nahitana ny fisian'ny solitany, taorian'ny fikarohana an-taonany maro. Museveni nanohana ny fanapaha-kevitry ny governemanta ny amin'ny tokony hanaovana sonia fifanekena sy...

Shina: Niteraka Fankalazana sy Alahelo Ny Veto Momba an'i Syria

  11 Febroary 2012

Nifidy ho amin'ny tombotsoany manokana i Rosia sy i Shina omaly tamin'ny fanoherana mampiady hevitra nataon'izy ireo tamin'ny volavolam-panapahan-kevitra tao amin'ny Vaomieran'ny fandriampahaleman'ny Firenena Mikambana miantsony filoha Syriana Bashar al-Assad hampitsahatra ny famonoan'olona ataony ao amin'ny firenena, volavolam-panitsiana ny drafitra teo aloha miantso an'i Assad hiala amin'ny fitondrana. Nohamarinin'i Shina ny fanapahan-keviny...

Maldives: Voamariky ny Herisetra

  10 Febroary 2012

Nandray kihon-dalana mahatsiravina ny olana politika ao Maldives tamin'ny Alarobia teo rehefa nodarohan'ny polisy an-kerisetra sy noratrainy ireo mpanohana ny filoha teo aloha, Mohamed Nasheed, teo ampanaovana hetsi-panoherana manohitra ny lazain-dry zareo ho fanonganam-panjakana nahatonga ny fanesorana teo amin'ny fitondrana ny filoha voalohan'ity nosy ity voafidy tamin'ny fomba demaokratika.