· Septambra, 2011

Tantara mikasika ny Politika tamin'ny Septambra, 2011

Bangladesh : Ny Adihevitra Momba Ny Sata Ao Amin'ny Facebook

  19 Septambra 2011

Facebook dia manomboka ho filazam-baovao ara-tsosialy fanta-daza ao Bangladesh toy ny any amin'izao tontolo izao, kanefa ny satanao ao amin'ny Facebook dia mety hitera-doza ihany indraindray. Nisy ny fanapahan-kevitra noraisin'ny fitsarana nampiharina tamin'ilay mpampianatra mipetraka any ivelany, izany no vokatry ny sata napetrany tao amin'ny Facebook.

Sina : Ireo Fandaniam-bolam-bahoaka Telo Sy Ny Tsiambaratelom-panjakana

  18 Septambra 2011

Ny teny hoe "ireo fandaniam-bahoaka telo" na san gong jingfei, dia miainga avy amin'ireo fandanian'ny governemanta noho ny fivoahana mankany ivelany, sakafo sy fialamboly ary ny fiaram-panjakàna. Ireo fandaniana telo ireo no noheverin'ny vahoaka manontolo ho toy ny tena fototry ny kolikoly ho an'ireo mpikambana ao amin'ny governemanta

Zambia : Manahy ny Hisian'ny Fandresena Lahatra An-terisetra Mikasika Ny Fifidianana Ny Mponin'ny Aterineto

  16 Septambra 2011

Handatsa-bato i Zambia ny 20 Septembra 2011, hifidy filoha vaovao, mpikambana ao amin'ny parlemanta ary ny solontenam-paritry ny govrnemanta.Tsy fotoana very maina ny niresahana io tranga lehibe iray io ho an'ny mponin'ny aterineto satria izy ireo dia mampiasa ny aterineto hiresahana ny tahotra ny mety hisian'ny herisetra, kolikoly ary na dia ny fanohanana ny antoko politika sy ireo kandidàn-dry zareo aza

Zambia: Fampielezan-kevitra An-tserasera Ataon'ny Antoko Politika

  15 Septambra 2011

Roa herinandro latsaka mialoha ny hifidianana amin'ny 20 Septembra 2011, nanatontosa fampielezan-kevitra amin'ny fomba hafa tsy toy ny mahazatra amin'ny fampiasana afisy, dokambarotra amin'ny fahitalavitra, na feonkira amin'ny radio intsony ireo antoko politika, fa sehatra vaovao indray izao no ampiasan'izy ireo—ny tranonkala. Enina amin'ireo antolo folo nirotsaka kandidà ho filoham-pirenena no...

Espaina: Adihevitra Ara-politika sy Ara-tsosialy Mafana Momba ny Fanitsiana ny Lalampanorenana

  14 Septambra 2011

Nihahenjana kokoa ny adihevitra politika sy sosialy tao Espaina nandritra ny volana vitsivitsy farany teo. Ny vaovao farany niteraka indray dia fidinan'olona anarivony  an-dalambe mba hanohitra izay lazaina fa  #reformazo (#fanitsianalehibe). Mikasika ny fanovana isankarazany ao amin'ny Lalampanorenena Espaina novolavolain'ny PSOE (Antokon'ny Mpiasa Sosialista Espaniola) izany, miaraka amin'ny fanohanan'ny PP (Antokon'ny...

Filipina: Lolong, Mamba Goavana Indrindra Manerantany

  13 Septambra 2011

"Mifaha" ao Filipina ankehitriny ny mamban-dranomasina mirefy 6,4 metatra ary heverina ho ny goavana indrindra amin'ny karazany manerantany. Mitaky ny hanafahana azy ho any amin'ny fiainan-dia any amin'ny fitondrana ny mpiaro ny 'zon'ny biby'. Ny mpisera hafa moa mampitaha ilay mamba amin'ny mpanao politika mpanao kolikoly