Tantara mikasika ny Politika tamin'ny Novambra, 2022
KIRK – Gazety Serba mpanao fanadihadiana, henjehana amin'ny resaka fanalam-baràka, mamorona santatra iray mampididoza
Talohan'ny nahazoan'ny KIRK, media serba mpanao fanadihadiana, ny loka ho an'ny Fanaovan gazetim-panadihadiana fanomen'ny Fiombonambe Eorôpeàna, nisy tribonaly serba iray nanameloka azy tamin'ny famoahana vaovao marina momba ny fitsarana ady heloka iray
Mikatsaka ny hanafoana ny fanamelohana ho faty any Singapaoro ny fanentanana ‘Atsaharo ny Famonoana’
"Tsy manana anjara-toerana eo amin'ny fiarahamonina mpikarakara sy marina, izay irin'ny Singaporeana maro, ny fanamelohana ho faty."
Tsy ampy azy Okraina : avoitran'ny fanadihadiana iray ny tetika ataon'i Rosia hakàna ny fifehezana an'i Môldavia
Hazavain'ny RISE Moldova, vondrona mpanao gazety mpanao fanadihadiana, ny fomba ataon'i Maosko hividianana fitaomana ara-pôlitika ao amin'ity firenena miray sisintany amin'i Okraina ity, lasa dingana mavesa-danja amin'ny fanitaran'ny Rosiàna
Niakatra ambony indray ny fifanenjanan'i Azerbaijàna sy Iràna
Nitabataba sy nifanakalo kabary feno fankahalana i Azerbaijana sy Iràna nandritra ireo herinandro nisian'ny fifanenjanana.
Fatiantoka sy Fahapotehana ao Karaiba: Hitanay, Tsapanay ary fantatray izany
Tao Karaiba, nisy fiantraikany ratsy be ny olan'ny toetrandro, tamin'ny famokarana sakafo, ny fahasalamana, ny rohivoary, ny fizahantany, ny fahafahana mahazo rano fisotro, ny famokarana herinaratra, ny fitadiavana fivelomana, ny fahafahan'ny olombelona mamokatra, ireo fototdrafitrasa tena ilaina sy ny fampandrosoana ara-toekarena.
‘Tena sarotra ny mahita fanoherana rehefa tsy ahitàna sarina fihetsiketsehana an-dalambe': Antsafa nifanaovana tamin'i Hanna Liubakova, Belarosiàna mpikatroka,
Mpanao gazety malaza miaina an-tsesitany, mpikambana tsy mipetraka maharitra ao amin'ny Filankevitr'i Atlantika no sady mpampiofana ireo media momba izay tokony hataon'ny media mpanohitra ao amin'ny firenena rehefa tsy misy hetsipanoherana hita maso ao anaty jadona
Nahazo sehatra tao amin'ny YouTube ny vondrona neo-Nazi Zeorziana iray
Nipoitra anjotra indray ny vondrona neo-Nazi Zeorziana malaza ireo volana maromaro taorian'ny nivoahan'ny lazain-dry zareo ho "komandà", Giga Chelidze, ny fonja.
Mandritra ny COP27, miantso hetsika misimisy kokoa i Môzambika, firenena ao Afrika faran'izay marefo indrindra amin'ny resaka toetrandro
Anaty toedraharaha tena miha-saropady i Môzambika raha miohatra amin'ireo firenena mpandoto be indrindra eto an-tany
Manjakazaka ilay kintan'ny haiady avy ao Myanmar, ary mivavaka mba hirodanan'ny fitondrà-miaramila
"Halako ny didy jadona. Efa nijaly tamin'izany aho fony mbola kely. Natahotra aho ary niafina tao an-tranoko raha vao mandre olona miteny Birmana."
Jamaikana maro no mitebiteby. Ireto no antony
Mitatao amin'ny Jamaikana ny rivo-kerisetra sy asan-jiolahy, ka tontosainy anaty vesatra sy horohoro ny asany andavanandro.