Tantara mikasika ny Politika tamin'ny Febroary, 2022
Toherin'ny mpikatroka ao Myanmar ny famarotana ny orinasam-pifandraisandavitra Telenor amin'ny orinasa mifandray akaiky amin'ny miaramila
"Tsy nifampidinihan-dry zareo ny olona manao vivery ny ainy amin'ny fanoherana ny fitondra-miaramila, izay eo am-pelatanan'ny Telenor ny ainy."
Misaona ny fahafatesan'ilay voromangafeon'i India i Azia Atsimo
Malalan'ny vahoaka sy ny talen'ny mozika i Lata Mangeshkar; Naharitra fitopolo taona tamin'ny feon-kira tsy misy fangarony manerana ny firenena ny asany.
Azerbaijan: Lehilahy iray nosamborina noho ny tsy fanajana sainam-pirenena
Ity angamba no tranga voalohany nahitana fanoherana mahery vaika avy amin’ny vahoaka mikasika ny olona tsy manaja ny sainam-pirenena vahiny tao Azerbaijan.
Nandraoka loka tao amin'ny fetiben'ny filma Sundance ny “vaky bantsilana” Navalny
Lazain'i Tantarain'ny filma ny nahafahan'i Navalny ho tafavoaka velona tamin'ny fanapoizinana nahazo azy tamin'ny Aogositra 202, sy fony andalam-pahasitranana tany Berlin, niara-niasa tamin'ireo mpiara-dia aminy sy ireo mpanao fanadihadian'ny Bellingcat mba hamoahana izay nanao ny fanafihana.
Kosovo taona 1999 sy Rosia 2021: Mampirongatra propagandy mampidi-doza ny fironana hanamboatra sary miova tokotanin-tsehatra na ‘cheapfake’
"Zava-dehibe ny mampahafantatra ny fielezan'ny fikirakirana sary novaina tokotanin-tsehatra sy ny fanekena fa mampiasa io fomba fanao io ny governemanta sasany mba hitarika fanovana ny hevi-bahoaka."
Fanafihana voarindra mahazo ireo Bangladeshita mpikatroka ao amin'ny Facebook
Tao anatin'ny fanafihana fiaraha-miasa vao haingana nataon'ireo olon-tsy fantatra, nivadika tamin'ny fomba misitery ho sary fanomezam-boninahitra ahitana ny voambolana "Remembering" (tsaroana) tsy azo idirana ny horirantava Facebook an'ireo olo-malaza, mpanao gazety, olon'ny media ary mpikatroka avy any Bangladesh.
Fiainana ampielezana: Tantaran'ny Nepaley mpiasa iray nifindra monina tany Qatar
"Izany no niainanay. Ireo mangina no tadiaviny. Ireo izay azo ampanginina." Fitantaran'ny Nepaly iray niondrana andafy hiasa niverina nody rehefa nandany telo volana tao Qatar.
Manamarika ny tsingerin-taonan'ny fanonganam-panjakana tamin'ny ‘fitokonana mangina’ ireo hery mpanohana ny demaokrasia ao Myanmar
“Nandà tsy hamela ny tenan'izy ireo ho lasa andevon’ny miaramila indray ny vahoaka, ary tsy ho kivy mihitsy”.
Tsy hahavaha olana amin'ny fitsinjaran-karena ao Kazakhstan ny fanekena hijery ambany (hitsongoloka) indray
Raha tsy misy fanavaozana matotra indray amin'ny toekaren'ny firenena, naka fepetra hafa mitsongolokaa ny mpitarika ao Kazakhstan mba hiadiana amin-tahotra ny hantsana eo amin'ny olona— antony lehibe indrindra nahatonga ny hetsi-panoherana malaza tamin'ny volana Janoary.
Anjorom-bala ireo Musahars ao Nepal
Hatry ny ela no efa natao an-jorom-bala sy navakavahana ireo vondrompiarahamonina Musahars. Vao mainka nanaratsy ny toedraharaha ny nahatongavan'ny valanaretina COVID-19