Tantara mikasika ny Politika tamin'ny Desambra, 2020
Mampitandrina ny mpilalao “Animal Crossing” ny Nintendo: Atsaharo ny fanaovana politika raha tsy izany ho rarana ianao
Nampiasaina ho toy ny sehatra hanehoana hevitra politika ny lazan'ny Nintendo farany, ary tsy mahita lafy tsarany sy tombony amin'izany ilay orinasa goavana Japoney amin'ny lalao video.
Miara-manao diabe ho an'ny fitovian-jo ireo mpikatroka LGBTQ Thailandey sy ireo mpanao fihetsiketsehana manohana ny demaokrasia
Any Bangkok, nanatevin-daharana ireo mpanao fihetsiketsehana manohana ny demaokrasia ny mpikatroka LGBTQ hitaky ny fitovian-jo ho miralenta sy ny fanambadiana ary ny fanavaozana politika amin'ny fitondram-panjaka.
Pakistàna: mety ho voarara noho ilay lalàna vaovao ‘henjana dia henjana’ ireo sehatry ny media sôsialy
Niteraka fanakianana avy amin'ireo vondrona mpiaro zon'olombelona sy ireo orinasa momba ny teknolojia ireo fepetra vaovao manome fahefana ny fanjakàna handrindra ny votoaty ety anaty aterineto sy handrara manontolo ireo sehatra sôsialy
Gana fingotra amin'ny hetsi-panoherana thailandey mampisy firaisankina sy sary-sy-soratra
"Ny sarin'ny manampahefana Thailandey, nirongo fitaovam-piadiana sy ampinga, mifanandrina amin'ny…ganagana fingotra… manasongadina ny tsy fitoviana eo amin'ny mpanohitra sy ny fanjakana."
Mitombo ny tsindry mahazo an'i Egipta itakiana ny famotsorana ireo malaza mpiaro zon'olombelona
Mpitantana ambony miisa telo ao amin'ny EIPR egiptiana, iray amin'ireo vondrona tena malaza amin'ny fiarovana zon'olombelona, no nosamborina tamin'ity volana ity, nampangaina ho manao asa fampihorohoroana.