Tantara mikasika ny Politika tamin'ny Jona, 2019
Thailandy : mpanao sariitatra noenjehina noho ny fanehoan-kevitra nanevateva ny Praiminisitra tao amin’ny Facebook
Notorian’ny Praiminisitra Thailandey, Yingluck Shinawatra, ilay mpanao sariitatra malaza, noho ny fanehoan-kevitra nanala baraka azy tao amin’ny Facebook, izay nampitaha azy tamin’ny mpivaro-tena noho ny ‘’fivarotana ny fireneny’’.
Miantso ny fametraham-pialàn'ny minisitry ny fitsarana vaovao ry zareo Tseky tao anatin'ny fanamby nasionaly ho an'ny Praiminisitra Andrej Babiš
Nilaza ireo mpanao hetsi-panoherana fa mikasa ny hitsabaka amin'ny raharaha fanenjehana azy i Babiš. Mitaky ny fialan'i Benešová izy ireo sy ny fepetra vaovao ho fiarovana ny fahaleovantenan'ny fitsarana ihany koa.
Mandoto ny lazan'i Japana amin'ny fihazana trozona i Neo Zealandy, hoy ny haino aman-jerim-panjakana Japoney
Miha-mafana ao amin'ny andrim-panjakana Japoney ny fanoheran'i Neo Zealandy ny fihazana trozona ao amin'ny Oseana Atsimo, ary maneho ny tsy fankasitrahany ao amin'ny aterineto manoloana ny valintenin'ny fitondrana ireo vahoaka japoney izay manaraka akaiky ny raharaha mahakasika izany.
Manolo-kevitra hifehezana ny media sosialy ny praiministra ao Papoà Neo Ginea, satria mila hatsahatra ny “vaovao faikany” hoy izy

Nametraka ny fomba fijeriny mikasika ny fanarahamaso ny media sosialy ny governemanta Papoà-Neo-Ginea mba hiadiana amin'ny fielezan'ny vaovao tsaho sy vaovao faikany amin'ny aterineto. Nampitandrina ireo mpitsikera sy ny mpanao gazety fa mety hitarika ho amin'ny fanakonana ny fahalalahana miteny izany.