Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

· Avrily, 2019

Tantara mikasika ny Politika tamin'ny Avrily, 2019

25 Avrily 2019

Malayziana mpikatroka ambany fanadihadian'ny polisy taorian'ny kabary LGBT tao amin'ny Firenena Mikambana

"Ahatsinjovana ihany ny fanohintohinana, ny fampitahorana ary ny fanilikilihana mahazo ny olona LGBT ao Malayzia ny famotoran'ny polisy amin'ny fanambaràn'i Numan. "

24 Avrily 2019

Nepal: Mirehitra i Madhesh

Efa taonjato maro ireo Madhesi no natao anjorom-bala. Ao anaty fitroarana izy ireo ankehitrin, izay tsapa ho toy ny ampahany faharoa eto amin'izao tontolo izao manetsika ny Revolisiônan'y Aprily [...] Raha ampahany ao anatin'i Nepal i Madhesh, dia nahoana ireo Madheshis no tsy omena vintana ho afaka hanao raharaha miaramila?

23 Avrily 2019

Miady hevitra ny blaogy Bangla: Saddam sa i Bush? – iza no meloka indrindra?

Nifarana tamin'ny vaovao lehibe mikasika ny famonoana an'i Saddam Hussein tany Iràka ny taona 2006. Sary maro momban'ny fanantonana azy nohita tao amin'ny Aterineto, izay nahaketraka olona maro. Nangotraka fihetseham-po maro nanoloana ilay zava-nitranga ny tontolom-blaogy.

Libanona: Fitsidihan'i Norman Finkelstein

Miarahaba an'i Norman Finkelstein, izay nitsidika an'i Libanona vao haingana ilay bilaogera Libaney Ali Hammoud.

22 Avrily 2019

Manaratsy ny Toerana misy ny Fitondran'i Azerbaijan ny Hetsipanoheran'ireo Reny any Nagorno Karabakh

Nanome toky ny hanome fanonerana ho an'ireo fianakaviana izay nankasitrahana tanatin'ny lahateny ofisialy noho ny aina nafoiny ny fanjakana. Avy eo dia navelany ho diso fanantenana izy ireo.

Daroka baomba tamin'ny fiangonana sy hotely maro niteraka horohoro tao Sri Lanka

Anjatony ny maty sy maratra tamin'ilay andiam-pipoahana baomba tsara omana tao Sri Lanka. Nambaran'ny governemanta ny hametrahana fanaronan'afo mandritra ny 12 ora ary notapahina ny media sosialy.

Maoritaniàna Bilaogera .Miatrika Fanenjehana ho Nanala Baraka Tamin'ny Filazàna Kolikoly

GV Mpisolovava

Nampangain'ny Minisiteram-bahoaka ireo blaogera roa ho nanaparitaka an'izay lazainy fa tatitra "diso" mikasika ny fisiana kolikoly maha-voarohirohy ny filoham-pirenena Maoritaniana.

Rosia: Miresaka ny tsingerintaona faha-20 nirodanan'ny rindrin'i Berlin ny bilaogera

Akon'ny RuNet

Folo taona taorian'ny nianjeran'ny Rindrin'i Berlin, tsy dia maro ireo bilaogera Rosiana mahatsiaro, mankalaza sy miresaka ity zava-nitranga ara-tantara izay antsoin'ny sasany hoe "zava-nitranga tena manan-danja indrindra tamin'ny tantaran'ny taonjato faha-20." Ho an'ny ankamaroan'ny bilaogera Rosiana 'ny firodanana' dia fahatsiarovana avy amin'ny fahazazana / fahatanorana, zavatra angano fa tsy tena...

India, Mafotaka ny Adin'ny Tenifototra Mialoha ny Fifanandrinan'ireo Kandidà Amin'ny Fifidianana Ho An'ny Lohataona 2019

Ahitana teny filamatra sy valinkafatra henjana ary tantara maro ny fampielezankevitra politika, satria hanao fifidianana ilay demokrasia goavana indrindra eto an-tany ny 11 Aprily ka hatramin'ny 19 Aprily 2019.

Manambara Ny Fitokonany Tsy Hisakafo Ao Amin'ny Fonja Foibe ao Hama Ireo Gadra Syriana Noho Ny Fahatongavan-Tsainy

"Tsy nanana lasa politika na antoko aho. Naniry fotsiny Siria iray vaovao aho, ka nanatevin-daharana ireo mpiray tanindrazana amiko nandeha nanao hetsika am-pilaminana teny an-dalambe."