Tantara mikasika ny Politika tamin'ny Marsa, 2019
Mampiasa vola be amin'ny fanatanjahantena ara-miaramila sy famelomana tantara mba hanatsarana ny fitiavan-tanindrazana i Viktor Orbán ao Hongria
Nandrotsaka euro an-arivony tany amin'ireo fikambanana ara-panatanjahan-tena sy ireo vondrona mpamelona tantara ny minisiteran'ny fiarovana Hongroà mba hampiditra ao an-tsaina ny fahatsapana fitiavan-tanindrazana eo amin'ny tanora, araka ny tatitra avy amin'ny Atlatszo.hu, fampahalalam-baovao tsy miankina mpanao fanadihadiana.
Nahoana ny Repoblika Islamika no matahotra an'i Nasrin Sotoudeh?
"Manafintohina", "tsy rariny", "devoly" sy "henatra mitabataba" no anisan'ireo teny nolazain'ireo mpiaro ny zon'olombelona sy Iraniana maro ao amin'ny media sosialy momba ny fandrenesena ny vaovao manafintohina fa voasazy higadra 38 taona an-tranomaizina sy kapoka karavasy in-148 i Nasrin Sotoudeh, Iraniana malaza mpiaro ny zon'olombelona.
Ireo Korontana Ara-politika Tao Haiti: Efa Fahita Sa Fotoana Tsara Amin'ny Fanovàna Tsy Azo Atao Ambanin-javatra?
Nakatson'ireo fihetsiketsehana ny sekoly, hopitaly sy tsena tao Port-au-Prince, ary ireo tanàn-dehibe hafa koa. Takian'ireo mpanao fihetsiketsehana ny fanovàna ifotony ny rafitra: "tabula rasa" (akipilizo daoholo), araka izay fiantson'izy ireo azy.
Mihantsy Ny Fankahalan'i Makedonia Ireo LGBT Ny Hetsika Fanentanana ‘Olombelona Koa Ireo Mpankahala Pelaka’
Ratsy ny toe-draharaha mikasika ny zon'ny olona LGBT any Makedonia, miaraka amin'ny rafitra tsimatimanota ho an'ireo heloka bevava noho ny fankahalana atao an'ireo vitsy an'isa ara-pananahana ao amin'ny firenena.
Inona no fantatrao momba ny fifidianana ankapobeny manaraka any Mozambika?
Hifidy ny governoram-paritra voalohany indrindra teo amin'ny tantarany i Mozambika amin'ny volana Oktobra 2019 hoavy izao . Ny filoha no nanendry izany teo aloha.