· Desambra, 2018

Tantara mikasika ny Politika tamin'ny Desambra, 2018

Serbia: Fihetsik'ireo Blaogera Afrikana Manoloana Ny Nisamborana An'i Karadžić

  27 Desambra 2018

Taorian'ireo vaovao nilatsaka tamin'ny Alatsinainy hariva hoe voasambotra ilay mpitondra Bosnian Serb teo aloha sady iray tamin'ireo olona tena nokarohina fatratra erantany Radovan Karadžić , dia nanomboka naneho hevitra mikasika ilay tantara avokoa ireo blaogera ankon'ny fahagagana tao Balkans sy ireo rehetra erantany. Ary noho ny fangatahan'ny Lehiben'ny Mpampanoa Lalàna Iraisam-pirenena (ICC), Luis Moreno-Ocampo hanenjika ny Filoha Sodaney Omar al-Bashir, niroso tamin'ny fampitahana an'ireo raharaha roa ireo ny blaogera sasantsasany.

Però: Mankany amin'ny fihodinana faharoa

  27 Desambra 2018

Tapitra ny fifidianana tany Però, saingy hiverina izany satria tsy nanambara ampahibemaso ny zavatra efa fantatsika rehetra izy ireo: hisy ny fihodinana faharoa amin'ny fifidianana ary i Ollanta Humala sy Alan García no hifaninana amin'izany.

Ny Solosaina Findain'ny Solombavambahoaka sy ny Maripahaizana Lisansy ho an'ny Filoha

  26 Desambra 2018

Niteraka fitroarana ny adihevitra mafana mikasika ilay drafitrasan'ny DPR (Solombavambahoakan'i Indonezia) hanova ny lalàmpanorenana, hamadihana ny maripahaizana Lisansy ho zavatra takína mialoha amin'ireo rehetra hirotsaka hofidína ho filoham-pirenena. Mahaliana be ireo bilaogera indoneziana ihany koa ny olana mikasika ilay fikasan'ny DPR hividy solosaina finday ho an'ny mpikambana tsirairay ao aminy.