· Avrily, 2018

Tantara mikasika ny Politika tamin'ny Avrily, 2018

Ireo Famonoana Tsy Mandal Fitsaràna ao Filipina

  27 Avrily 2018

Iray amin'ireo fototry ny fitarainana amin'ny fiampiatoana amin'ny asany ny Filoham-pirenena Filipiana, Gloria Macapagal-Arroyo, ny fandrisihany famonoana politika tao amin'ny firenena. Nampangain'ireo vondrona mpiaro zon'olombelona Ramatoa Arroyo ho anisan'ireo olon-dratsy indrindra mpandika ny zon'olombelona teo amin'ny tantara maoderin'ny firenena

Fanentanan'ireo Vehivavy Iraniana Mitaky Fanovàna Ireo Lalàna Manavakavaka

''Manohy ny tolona ataon'izy ireo hisian'ny fitoviana zo, mihoatra lavitra ireo sakana ataon'ny fanjakana, ireo vehivavy Iraniana. Andro vitsivitsy lasa izay, nanomboka hetsika iray hanoherana ny fanavakavahana ny vondrona iray ahitàna vehivavy Iraniana mpikatroka tsy nitandro hasasarana, nampitondraina ny lohateny hoe ''Sonia Iray Tapitrisa Itakiana Fanovàna Ireo Lalàna Manavakavaka.''

Rosia: Olombelona Koa i Kadyrov

Ny 5 Oktobra lasa teo, feno 30 taona i Ramzan Kadyrov Praiminisitra, taona eken'ny lalàna ho hahalasa azy ho filoham-pirenena. Na dia nandà ho tsy nikatsaka io toerana ambony indrindra io aza izy, ireo olona sasantsany mino fa tsy ho ela dia ho tonga eo izy.

Pakistàna: Ny Lova Navelan'i Benazir Bhutto

  26 Avrily 2018

Lefy ihany ny vaovao momba ny fahafatesan'i Bhutto. Mifantoka amin'izay mety ho lova navelany ny mpitoraka bilaogy. Tahaka ny politika mampiavaka an'i Azia Atsimo matetika, ny ankamaroan'ny fifanolanana dia mirona amin'ny fianakaviana sy ny Antoko Politikan'ny vahoaka.

Miroso Mankany Amin'ny Firesahana Fandriampahalemana i Nepal

  25 Avrily 2018

(2006)...Taorian'ny fandresen'ny Revolisiona Aprily, sy ny Fanambaràna goavana iray nataon'ny Parlemanta izay nampihena be tokoa ireo fahefan'ny mpanjaka, sy nanoloana ny anaran'ny tafika avy amin'ny Tafiky ny Mpanjaka Ao Nepal ho Tafik'i Nepal, ary koa ny kabary andiany voalohany niarahana tamin'ireo maoïstes, dia marobe ireo olana no tsy mbola voavahan'ny governemantan'ny fiarahamientan'ireo antoko fito . Tsapa ho mihisatra loatra ny fizotrany.