· Mey, 2017

Tantara mikasika ny Politika tamin'ny Mey, 2017

Sodàna: Halabato Voarakitra Anaty Lahatsary?

  25 Mey 2017

Misy lahatsary iray ety anaty aterineto mampiseho hala-batom-pifidianana tao Sodàna. Nahiliky ny Kaomitim-Pifidianana Sodaney ny fiheverena hoe nisy ny hosoka tamin'ny fifidianana. Asehon'ilay lahatsary ireo manampahefana manesika vatom-pifidianana ao anaty vata. Ambaran'ireo vondron'ny mpanohitra fa porofoin'ilay lahatsary ny fiampangàna nataon-dry zareo momba ny fisian'ny hosoka nataon'ny antoko eo amin'ny fitondràna, ny Antokon'ny Kaongresy Nasionaly (NCP)

Makedonia: Hira Adaladala Manao Politika

Rehefa avy nitatitra lohahevitra momba ireo hira amin'ny dokam-barotra mahatsikaiky ao Makedonia ny GVO, nipoitra tao amin'ny habaka Masedoniana ireo ohatra vitsivitsy maromaro. Ny tena voaresaka dia ny hira fanevan'ny Tanora Sosialista [MKD], sampan'ny tanora ao amin'ny Antoko Sosialista Makedonia.

Anjerimanontolo Rosiana Saika Hanolotra Mariboninahitra “Doctorat Honoraire” an'i Duterte, Saingy Nandray Sidina Nody Aloha Loatra Lery

Akon  24 Mey 2017

Nanome 'doctorat honoraire' ho an'ny filoha Filipiana Duterte ny MGIMO. Ilay olona iray izay nikarakara rà mandriaka sy nitifitra ny vahoakan'ny fireneny. “Ny mariboninahitra 'Doctorat Honoraire' avy amin'ny MGIMO dia atolotra ireo olom-panjakana, politika sy olontsotra ary diplaomaty miavaka,.." Ireo efa nahazo izany tany aloha : Nicolas Sarkozy, Tayyip Erdogan ary Ban Ki-moon.