Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

· Febroary, 2017

Tantara mikasika ny Politika tamin'ny Febroary, 2017

26 Febroary 2017

Miadihevitra Mikasika Izay Firenena Ambadiky Ny Famonoana An'i Kim Jong-nam i Shina

Tamin'ny fampahalalam-baovao Tandrefana sy tao Korea Atsimo, noraisina avy hatrany ho famantarana lehibe mikasika ny fitomboan'ny disadisa eo amin'i Shina sy i Korea Avaratra mpiara-dia tafasara-dalana taminy ny famonoana an'i Kim Jong-Nam.

Tonga Ao Pôrtô Rikô i Oscar López Rivera Saingy Mbola Migadra Amin'ny Trano Ambenana Manokana Mandra-pahavita ny Saziny

Hifarana amin'ny 17 Mey ny saziny.

Niteraka Fanehoan-kevitra Isan-karazany Ny Fitsidihan'i Benjamin Netanyahu Tao Aostralia

"Ny politikan'i Netanyahu dia mikendry hatrany ny hihantsy, hampitahotra sy hampijaly ny vahoaka Palestiniana, izay mampitombo ny tsy fifandanjam-pahefana, ary tsy azo ihodivirana fa mitondra an'i Israely ho lavitry ny fandriampahalemana kokoa..."

25 Febroary 2017

Mampametra-panontaniana ny Maha-Ara-dalàna ny OTAN

Tsy milamina intsony ny OTAN (Fikambanan'ny Fifanarahan'ny Atlantika Avaratra). Notsikerain'i Donald Trump mafy andro vitsy monja mialoha ny fanokanana azy tao amin'ny Trano Fotsy.

24 Febroary 2017

Fampielezankevitra Miresaka ‘Fianjerana Fiaramanidina’, Miteraka Adihevitra be Momba Ny Fifidianana Filoham-pirenena Serba

''Tsy mbola nisy olona tao anatin'ny tantara politika nanao [doka fampielezankevitra] mampiseho fa vonona ny hitondra ny vahoaka amin'ny fahafatesan'izy ireo izy raha toa ka tsy manatanteraka ny baikony ry zareo.''

23 Febroary 2017

Milaza Ny Vondrona Media Thailandey Fa Mety Hitarika Ho amin'ny Fifehezan'ny Governemanta Tanteraka ny Media ny Volavolan-dalàna Iray

"Tsy anisan'ny fahalalahan'ny gazety velively ny fisian'ny governemanta ao anatin'ny rafitra fanaovan-gazety sy ny fanomezana lisansa mpanao gazety."

22 Febroary 2017

Am-pandosirana Ny Balan-tafondron'ny Ady, Miady Amin'ny Hatsiaka Mamirifiry Ao Avaratr'i Myanmar Ireo Sivily Kachin

Efa ho olona miisa 2.000 no nitsoaka ny tànanany taorian'ny fifandonana teo amin'ny Tafiky ny Fahaleovantenan'i Kachin sy ny tafik'i Myanmar

20 Febroary 2017

An'arivony no Nandray Anjara Tamin'ny Diabe Fanoherana ny Famonoana Olona Ivelan'ny Fitsarana ao Filipina

" Raha herisetra ihany no valin'ny herisetra , dia ataontsika avo roa heny ny herisetra. Tokony ampiarahantsika aminy ny tsy fanaovana herisetra izany."

Mitsipaka ny Lalàna Mety Hitarika Mankany amin'ny Kolikoly ny Filoha Vaovao ao Bolgaria

Ny fanitarana ny fe-potoana ho tsy manam-pahataperana dia fomba hanomezana ho an'ny tsy miankina ny tolotra, ny zo ary ny asa, izay iantohan'ny fiarahamonina ho an'ny olom-pireneny nefa tsy amidy ireo!

19 Febroary 2017

Nandresy Taorian'ny Fahafatesany ireo Mpanao Gazetin'ny Népszabadság, Gazety Hongroà Iray Nakatona

Namoaka didy ny fitsarana Hongroà fa tsy ara-dalàna ny fanakatonana tampoka tamin'ny Oktobra ny gazetin'ny Népszabadság, mivoaka isan'andro ao amin'ny firenena .