Tantara mikasika ny Politika tamin'ny Oktobra, 2016
Hahatratra ny Fampanantenany Angovo Azo Havaozina Ve i Libanona Amin'ny Taona 2020?
Tsy vaovao amin'ny kirizin'ny fiarahamonina sy angovo i Libanona, fa kosa maro ireo miezaka miady amin'izany.
Tonga Ao Tsetsenia Ny Haiady MMA, Ary Tompondaka Sahady Ny Zanaky ny Mpitondra Ao An-Toerana
Na dia zatra manao dokambarotra ao amin'ny media sosialy aza i Kadyrov dia mbola manao izay hanafintohina ny olona hatrany, raha hita ho mpandray anjara tamin'ny fifaninanana haiady mifangaro notontosaina tao Grozny ny zanany telo mirahalahy.
Inona Avy Ireo Sioka Nalefan'ny Sampam-baovao Lehibe ao Rosia Nandritra Ny Adihevitra Farany Teo amin'ireo Kandida Ho Filoham-pirenena Amerikana?
Fintinin'ny RuNet Echo ireo sioka nalefan'ny sampam-baovaom-panjakana lehibe indrindra ao Rosia mikasika ny adihevitra teo amin'ireo kandida ho filoham-pirenena Amerikana mba hahafantarana izay nanako tao Moskoa.
Mizaka ny Vokatry Ny Fandaniana Tafahoatra Nataon'ny Governemanta Teo Aloha i Sri Lanka
Azo nampiasaina tamin'ny zavatra maro hafa ny volabe tsy toko tsy forohana nanafoanana fividianana fiaramanidina efatra .
Nobahanana Nandritra Ny Androm-pifidianana Ny WhatsApp sy Viber Tao Montenegro
Voaloton'ny fiampangana tsy fanarahan-dalàna ny fifidianana parlemantera tao Montenegro tamin'ny 16 Oktobra 2016, hoy ny tatitra tamin'ny tambajotra sosialy, ary voaràra nandritra ny fotoana tsy dia maharitra ny WhatsApp, Viber sy ny fampiharana fandefasan-kavara sahala amin'izany.
Mahatonga Ny Zazavavy Ho Marefo Manoloana Ny Fanararaotana Ny Lalàna Sy Ny Toe-tsain'ny Fiarahamonina Ao Myanmar
Manasongadina ny tsy fisian'ny fiarovana avy amin'ny governemanta manoloana ireo lasibatry ny herisetra atao amin'ny vehivavy ao Myanmar ny fankalazana ny Andro Iraisam-pirenena ho an'ny Tovovavy tao amin'ny tobin'ny mpitsoa-ponenana anatiny ao amin'ny fanjakana Kachin, Myanmar.
Ireo Shinoa Manampahefana Mpanidy Ny Tranonkala Ara-tsaina ‘Gongshi’, Mitarika Ireo Mpanao Aterineto Mba Hanontany: ‘Fiafaràn'ny Marimaritra’ ve Izao?
"Tian'ireo tompon'andraikitra ny hanakatonanay ny tranonkala, lazaina fa manaparitaka hevitra diso ilay vovonana. Noho ny fandrahonana, nakatonay. Tatitra avy amiko ity."
Miverina Indray Ny Resaka Tokony Ho Onitra Aloan'i Frantsa An'i Haiti Taorian'ny Fandravaravana Nataon'ny Rivodoza Matthew
Rehefa nandrisika ny olona "hanampy ny Haisiana, fa tsy ny kapitalistan'ny voina" ny bilaogera taorian'ny nandalovan'ny Rivodoza Matthew, dia niverina nahazo sehatra indray ny tokony ho onitra aloan'i Frantsa.
Ny ‘Mpitsikilom-Bahiny’ Ihany No Mizara Tantaran'ny Fotoana Mahafinaritra Ao Etazonia, Hoy Ny Fitsarana Rosiana
Nanatevin-daharana ny lisitr'ireo fikambanana 146 notondroin'ny Minisitry ny Fitsarana toy ny "mpiasam-bahiny" ny Klioban'ny Maintimolaly Amerikana. Ny heloky ny fikambanana? Nampita lahatsoratra indray tao amin'ny media sosialy.
Voatsikera Mafy Ho Mampiasa Sarin'ankizy Tsy Ampy Taona Mitondra Basy Hahazoana Isa Ara-Politika ny Mpanohitra ao Trinite & Tobago
Voahitsakitsaka ve ny lalàna? Fandrebirebena tokoa ve ny zava-drehetra? Nidina ve ny fomba fanaovana politika? Taorian'ny fivoahan'ny sarin'ireo ankizy tsy ampy taona milanja basy naseho tao amin'ny parlemanta, manontany ny mpiserasera...