Tantara mikasika ny Politika tamin'ny Marsa, 2016
Mifampiraharaha Amin'i Eoropa i Tiorkia Mba Tsy Handraisany Mpitsoa-ponenana
"Ny ahiahin'i Eoropa tsy mandeha afa-tsy ny mankany amin'ny fiarovana ny sisintaniny any ivelany sy ny fitazonana ny olona ho ao anatin'i Tiorkia – tsy manome vintana ny olona marefo sy ireo ankizy mandositra ny ady sy ny fanaovana antsojay ireo izay mba hitady fialofana any Eoropa..."
Rahoviana Ny Zaratany Mizakatena No Tsy Mizakatena? Rehefa Miteny Izany Ny Fampahalalam-Baovaom-Panjakana?
"Tsy i [Rakhmon] no nanome anay ny fizakantena ka tsy manan-jo hanaisotra izany aminay izy. Niezaka ry zareo hampandohalika an'i Badakhshan ho eo anatrehany tamin'ny 2012, saingy tsy nahavita.."
Syriana Manamarika Ny Tsingerintaona Fahadimin'ny Revolisiona Amin'ny Alalan'ny Fihetsiketsehana Bebe Kokoa
Mihoatra ny dimy alina sy roa hetsy ny isan'ny Syriana maty nisy namono hatramin'ny nanombohan'ny fihetsiketsehana manohitra ny fitondrana dimy taona lasa izay. Na dia eo aza ny fielezan'ny famoniana, dia niverina an-dalambe ny mpanao fihetsiketsehana.
Mahitsy Be Ilay Mpiasan'ny Firenena Mikambana Tamin'ny Fanombanany an'i Hongria
Nasongadin'ny Mpampaka-teny manokan'ny Firenena Mikambana, Michel Forst, ny toe-javatra mahakivy atrehan'ireo mpiaro zon'olombelona any Hongria rehefa vita ny fitsidihana sivy andro nataony.
Nosamborin'i Bahrain Niaraka Tamin'ny Zanany Vao Herintaona Monja i Zainab Al Khawaja, Mpikatroka Mafàna Fo
Nosamborin'i Bahrain androany niaraka tamin'i Abdul-Hadi, zananilahy vao 15 volana ilay mpikatroka mafàna fo, Zainab Al Khawaja. Fisamborana mitranga ao anatin'ny fotoana fankalazàna ny tsingerintaona fahadimy nahatongavan'ireo andian-tafika avy any Arabia Saodita sy ny Emirà Arabo Mitambatra hanorotoro ireo hetsipanoherana nitaky ny demaokrasia izay nahazo ny firenena
Semporin'ny Olompirenena Amin'ny Tatitra Mikasika Ny Angona Mampiahiahy Momba Ireo Mpifidy Ny Vaomiera Makedoniana Misahana Ny Fifidianana
Namoaka fampiasa iray ny SEC mba hamelàna ireo Makedoniana ho afaka mitatitra avy ety anaty aterineto ny tsy fetezana hita any anaty Lisitry ny Mpifidy. Andro folo taty aoriana, nakaton-dry zareo ilay izy noho ny tatitra maro loatra voarainy.
Miverina An-Dalambe Indray Ny Hetsika Libaney “Maimbo Ianareo”
Valo volana taorian'ny nidinana an-dalambe hanoherana ny fitombon'ny fako misavovona ao Libanona, tsy mbola mivaha ihany ny olana. Niverina an-dalambe indray ireo mpanao hetsipanoherana androany 12 Martsa.
Nahazo Laza Tamin'ny Diezy Ny Praiminisitr'i Malayzia, Fa Tsy Tamin'ilay Nantenainy
Mifampitady amin'ny fiampangana kolikoly mahazo azy ny Praiminisitra Malayziana Najib Razak ao amin'ny fireneny, saingy voasalotra satro-boninahitra vaovao indray izy amin'ny fanentanana iray amin'ny hashtag [diezy]. Ankoatra izay dia tsy nety nalaza araka ny nantenain'i Najib ny hetsika #RespectMyPM [HajaoNyPMko] tamin'ny 7 Marsa.
Naneho Hevitra Tamin'ny Fandresen'ny Mpanohitra Tamin'ny Vato Maro An'isa Tery Tsy Mbola Nisy Toy Izany Ny Jamaikana
Taorian'ny fanisam-bato farany, nivoaka mpandresy - tamin'ny seza iray- ny Antokon'ny Mpiasa Jamaika tamin'ny fifidianana ankapobeny tao amin'ny firenena. Nizara ny ahiahiny sy ny fanantenany amin'ny governemanta vaovao ny mpiserasera.
Kiorda Mpanangom-Baovao Mety Higadra ao Torkia Noho ny Tsanganana Twitter sy Facebook Navoakany
Inian'ny manampahefana tiorka ny "mampifangaro ny fanangonam-baovao amin'ireo vondrona voarara sy ny fanadihadiana ireo lohahevitra saropady amin'ny fampihorohoroana madiodio tsy misy fangarony sy ny hetsika hafa midaroka fanjakana."