Tantara mikasika ny Politika tamin'ny Febroary, 2016
Nahoana Ny Olona Ety Anaty Aterineto No Miantso An'i John Kerry Ho “Jiolahimboto” ?
Raha nanomboka ny 29 Janoary ny kaonferansa Geneva 3, an'aliny koa ireo bitsika nampiasa ny tenifototra #KerryTheThug (kerry_Jiolahimboto) hanamelohana ny fanehoankevitry ny sekreteram-panjakàna Amerikàna momba an'i Siria.
Mpanao Gazety Notoriana Ho Manendrikendrika Ny Praiminisitra Ao Timor Leste Ho Manao Kolikoly
Fanindroany izao no nisy mpanao gazety niatrika fitoriana teny amin'ny fitsarana ho nanao fanalam-baraka. Tamin'ity indray mitoraka ity dia tamin'ny tatitra fisian'ny zavatra tsy mazava loatra tamin'ny tetikasa fampitaovana ara-tsolosaina tao amin'ny Minisiteran'ny Tetibola.
Rehefa Vazivazy Ny Fifidianana, Dia Mivazivazy Momba Ny Fifidianana Ny Olona
Olana iray miely patrana any Balkàna ny hosoka sy tsy fanarahan-dalàna main'ny fifidianana. Araka ilay fomba fiteny hoe, 'Raha tsy nihomehy aho, dia nitomany.'
Mankalaza Ny Faha 51 Taonan'ny Fahaleovantena i Gambia, Fa Tsy Ny Rehetra No Mankalaza
Nankalaza ny faha-51 taonan'ny fahaleovantenany avy tamin'ny Grande Bretagne i Gambia ny 18 Febroary 2016, maherin'ny 50 taona taorian'ny naha fanjakana faha-37manana ny fiandrianany ao Afrika azy.
Filohan'i Zimbaboe, Antitra indrindra Erantany, Feno 92 Taona
"Efa im-betsaka aho no maty. Efa resiko Jesosy Kristy satria izy indray mandeha ihany no maty."
Zavatra Tokony Helohina. Angatahan'ny Filohan'i Shina Ho Boloky Mpampita Ny Tondrozotran'ny Antoko Ireo Mpampahalala Vaovao
"Rehefa miasa ho amin-javatra hafa ankoatry ny tombontsoan'ny vahoaka ireo mpampahalàla vaovao, dia tsy raharahaina sy adinoina ny vahoaka."
Polisy Ao Albania Mampiasa Hery Amin'ireo Mpanao Fihetsehana Miaro Ny Hany Sisa Mba Kianja Maitso Tavela Ho An'ny Daholobe Ao An-drenivohitra
Re nandrahona azy ireo ny manampahefana iray tao amin'ny polisy niteny hoe "Hisy rà mandriaka eto !"
Mandingana Ny Rindrin'afo Gaovana Ireo Shinoa Mpikirakira Ny Aterineto Mba Hanarahan-dry Zareo Ireo Mandàla Ny Fizakantena Ao Taiwan
Nanjary lasa adinà emoji manala voly sy lesona teknolojia amin'ny fianihana ny 'Rindrin'afo Lehiben'i Shina' ny fitadiavan'ireo Shinoa mpikirakira aterineton'ny tanibe hampangina ny mpomba ny fahaleovantenan'i Taiwan amin'ny alàlan'ny 'fomban'ny fandrosoana'.
Nanohitra Ny Fisamborana Ilay Ejipsiana Malaza Mpanao Sariitatra Islam Gawish Ireo Mpampihomehy Amin'ny Eso
Notanana nandritra ny fotoana fohy ilay Ejipsiana mpanao sariitatra Islam Gawish noho ny fitantanana tranonkala tsy misy fahazoan-dalana sy fanaovana sariitatra ara-politika." Navotsotra izy taorian'ny fanoherana goavana tao amin'ny media sosialy.
Nahatezitra Mafy Ny Espaniôla Ilay Mpitolona Omby Nitàna Zazakely Teny An-kianja
"Tsy tomponandraikitra" sa "mpiaro ny fombandrazana" ? Mandrehitra indray ny adihevitry ny espaniôla momba ny fitolomana omby ny sarin'ilay mpitolona mitondra ny zanany eny an-tànany sady manao ny ataony ihany.